Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly

Daty
Alarobia 07 May 2025

Misy hery mifanandrina ao amin'ny tantaran'ny famonjena manontolo. Tian'Andriamanitra haverina ho tahaka ny fahiny ny fifandraisantsika Aminy; te hanakaiky antsika Izy. Saingy handringana ny mpanota ny fitondrana azy ireo eo anatrehany. "Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy." - Sal. 5:4, hoy i Davida, ary nampiany koa hoe: "Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho"-Sal. 5:7.

Vakio ny Hag. 2:7-9. Rehefa nanorina ny tempoly faharoa izy ireo, dia nanao izao fanomezan-toky mahatalanjona izao ny mpaminany Hagay: Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha. Inona no tian'io faminaniana io holazaina?

Rehefa notokanan'i Sôlômôna ny tempoly voalohany, dia nameno io tempoly io ny voninahitry ny Shekinah ny fanatrehan'Andriamanitra izay niaraka tamin'ny zanak'Isiraely teny an-dalana ho any amin'ny tany Kanana - ka tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona (1 Mpanj. 8:10,11). Rehefa notokanana kosa ny tempoly faharoa, dia tsy teo ny fiaran'ny fanekena, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra, satria nafenin'i Jeremia izany. Tsy hita nameno ny tempoly ny fanatrehan'Andriamanitra tamin'ity indray mandeha ity. Nampalahelo ny rehetra izany. Ahoana no hahatanteraka ny teny fampanantenan'i Hagay?

Tao amin'ny tempoly faharoa dia i Jesôsy mivantana, Ilay Andriamanitra tonga nofo, no niseho. Andriamanitra mihitsy no niala tao ambadiky ny efitra lamba ka niaraka tamintsika mba ho isantsika eto amin'ity tontolo rava ity. Tonga Zanak'olona Ilay Zanak'Andriamanitra, koa afaka nahita ny tavany isika, nandre ny feony, ary nanatri-maso ny nikasihany ilay boka tsy madio, ohatra, sy ny nanasitranana azy (Mat. 8:3). Tsy nentin'Andriamanitra hankany Aminy isika, fa Izy no nankatý amintsika. Nidina nankeo amintsika manokana Izy. Koa izany no mahatonga ny Baiboly milaza momba an'i Jesôsy hoe: "Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela' izany hoe, raha adika: 'Amintsika Andriamanitra" - Mat. 1:23. Saino ny hevitry ny hoe: Nidina Ilay Mpahary ny tontolo rehetra izao, ka tsy vitan'ny niara-niana tamintsika fa maty ho antsika koa.

Tsy isalasalana fa ny hazo fijaliana no fanehoana faratampony ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'ny fomba ahoana koa no mety ahitantsika na anandramantsika ny maha-zava-misy ny fitiavan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal