Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 03 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 1:2-15; Heb. 10:3-10; Eks. 12:1-11; 1 Kor. 5:7; Hag. 2:7-9; Isa. 6:1-5; Apôk. 4:7-11.

Tsianjery:

"Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9.

Hoy i Jaona mpanao batisa rehefa nanatona azy i Jesôsy : "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" Jao. 1:29. Manambara mazava ny amin'ny biby atao fanatitra alatsa-drà izany, izay manondro ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny toeran'ny taranak'olombelona.

Tsy afa-miala amin'io lohahevitra momba ny fanatitra io isika ao amin'ny Baiboly manontolo. Mitana toerana manan-danja izany ao amin'ilay toe-javatra lehibe ao amin'ny Apôkalipsy, izay nitondrana an'i Jaona ho eo anatrehan'ny seza fiandrianan’Andriamanitra (Apôk. 4,5). Manampy tokoa amin'ny fahatakarana ny vanim-potoana ara-paminaniana manontolo ny fisehoan'i Jesôsy eto amin'ny endriky ny zanak'ondry efa voavono (Apôk. 5:6).

Handinika lohahevitra vitsivitsy mikasika ny fanatitra isika amin'ity herinandro ity, izay manampy antsika hahafantatra mazava ny amin'i Jesôsy , Ilay Zanak'ondry voavono, Izay mpandray anjara fototra ao amin'ilay toe-java-miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Ekena ho mendrika Izy, ary tsy misy ankoatra Azy. Midika zavatra betsaka momba izay nataon'ny Tompo tamin'ny alalan'ny rafi-pisoronana io fahamendrehany manokana io. Maneho Azy ho Andriamanitra fitiavana mandrakizay izany, Izay nanao ilay fanatitra faratampony - fihetsika iray izay hampitolagaga antsika sy ny mponin'ny lanitra mandrakizay.

*Famerenana ny lesona ny sabata 10 May.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal