Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

March 2026

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.

Ny fitoerana ao amin'i Kristy indraindray no zavatra sarotra tanterahina indrindra. Mety fantatsika tokoa fa izany no ilaintsika, saingy mipaoka antsika ny riakan'ny rotorotam-piainana, ka manjary sarotra loatra ny fahitantsika izany. Toy ny enta-mavesatra indrindra no fahitana ny fanarahana an'Andriamanitra, indrindra ho an'ireo izay mahatsapa ho teren'ny hafa hanaraka an'i Jesosy. Ny karazam-pivavahana toy izany dia mety ho toy ny asa an-terivozona, satria mifantoka amin'izay miseho ivelany fotsiny fa tsy amin'izay ao am-po.

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Tia antsika Andriamanitra na dia fony tsy mbola teraka akory aza isika; planiny ny hahalala antsika sy ny hahalalantsika Azy. Mitady antsika Izy, toy ny Mpiandry tsara, ary manasa antsika hitoetra ao Aminy isan'andro. Ny hany Ilaintsika dia ny mifidy ny hamaly ny antsony, ary ny hanakalo ny fahantrantsika sy ny toetra maha Laodikianina antsika amin'ireo fanomezan-tsoa avy Aminy (jereo ny Apôk. 3:18,19).

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.

Nanaraka an'i Jesosy nidina tamin'ilay tohatra tery avy tao amin'ny efitrano ambony, ho any an-dalambe, ireo mpianatra. Raha niara-nizotra ho any Getsemane izy ireo, tamin'io alina iray izay anisan'ny manan-danja indrindra eo amin'ny tantaran'ny tany io, dia azo heverina fa tsy tsapan'izy ireo akory ny halalin'ny teny farany nataon'i Jesosy taminy tao amin'ny efitrano ambony.

Inona no nambaran'i Jesosy ao amin'ny Jao. 15:1-11? Inona no hevitr'izany ho antsika?

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.

Rehefa avy niresaka momba ny toetrantsika feno fangatsiahana i Jesosy, dia milaza amintsika fa tokony horesena izany. "Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. - Apôk. 3:21.

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary

"Izay rehetra tiako no anariko sy faizako hoy i Jesôsy ao amin'ny Apôk. 3:19. "Koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha." Tsy misy amintsika afaka hilaza marina, na dia iray segondra monja aza, fa tsy mihevitra ny momba antsika na momba ny hoavintsika i Jesôsy. Tena mora Taminy tokoa ny nahafoy ny taranak'olombelona ka tsy ho nandeha tamin'ilay lalana feno hirifiry izay nofidiny teto amin'ity tany ity. Kanefa noho ny halalin'ny fitiavany antsika indrindra no ananarany antsika eo amin'izao toerana misy antsika izao. Maniry fifandraisana mafy orina sy lalindalina kokoa amintsika Izy.

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.

Efa mba nanontany tena ve ianao ny amin'izay mety holazain'i Jesôsy raha toa Izy hanoritsoritra ny fifandraisanao Aminy amin'izao fotoana izao? Mety hilaza Izy fa mafy orina izany, na koa nihamafy orina kokoa noho ny tamin'ny lasa. Efa mba nanontany tena ny amin'izay mety holazain'i Jesôsy ve ianao raha toa Izy milazalaza momba ny olona amin'izao andro farany izao? Izany tokoa no ataony ao amin'ny Apôk. 3:14-22. Atombony amin'ny filazana izany fa Izy Ilay "mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao" - Apôk. 3:14.

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 3:14-22; Apôk. 4:9-11; Gen. 2:7; Gen. 3:8-10; Jer. 31:3,4; Jao. 15:1-11; Rom. 8:9-11.

Tsianjery: "Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako hianareo." Jao. 15:9

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Ny fanahy izay milefitra amin'i Kristy, dia manjary tanana mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon'izao tontolo izao mikomy aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy fahefana hafa hekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin'ny anjelin'ny lanitra ho an'Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan'i Satana. Nefa raha tsy manolo-tena tokoa hofehezin'i Kristy isika, dia hotapahin'ilay ratsy. Tsy maintsy ho eo ambanin'ny fifehezan'ny anankiray amin'ireo hery lehibe roa izay milofo mafy ho tompon'ny fahefana fara tampony eto amin'izao tontolo izao isika.

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.

Eo am-pisaintsaina momba ny hafatr'i Jesosy ho Vakio ny Kol. 4:16-18; ampitahao amin'ny Kol. 2:1-3. an'l (jereo lesona omaly), inona ny fifandraisana hitanao amin'ny hafatra ho an'ny Kolosianina, izay natao hovakina ao amin'ny fiangonan'i Laodikia tamin'ny andron'i Paoly koa?

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.

Vakio ny Kol. 4:14,15 sy ny 2 Tim. 4:10,11. Inona no mampiavaka an'i Lioka amin'i Demasy ary nahoana?

Hoy ny apostoly Jaona: "Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. - 1 Jao. 2:15. Nahatonga an'i Lioka hiaraka tamin'i Paoly hatramin'ny farany, na inona na inona mety hitranga, ny fitiavany an'i Jesosy sy ny fanjakany, fa i Demasy kosa tia izao tontolo izao mihoatra noho ilay tontolo ho avy.

Pagination

  • 1
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal