"Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany sady tsy manan-tsiny izy." - Apôk. 14:4,5.
"Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin 'ny elany, - Jehovah irery no nitondra azy, ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy." - Deo. 32:11,12.
"Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin 'ny làlan 'ny fahadisoany dia hamonj y fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. " - Jak. 5:19,20.
"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro." - 1 Pet. 4:8.
Mofon’aina: Ny mpanaraka an'i Kristy dia tsy haneho toetra ratsy sy feno fitiavan-tena, fa amin'ny teny, ny fanahy ary ny asa no hanehoany ny fahalemem-panahin'i Kristy. (...) Tsy avy amin'Andriamanitra ny fanahy tia manjakazaka sy mampahory, na ambany toy inona aza ny toerana misy ilay olona, na mpino izy na tsy mpino. Natao ho solontenan'i Kristy ny Kristianina amin'ny fifandraisany rehetra amin'ireo nanoloran'i Jesosy ny ainy sarobidy. (...)
"Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao." - Mat. 18:15.
"Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany." - Gal. 6:1.