Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHATOKIANA AMIN'ANDRIAMANITRA SY NY TENINY

Daty
Alahady 16 June 2024

Vakio ny Ohab. 23:23; Jao. 8:32 ary ny Jao. 17:17. Inona no iraisan'ireo andalan-teny ireo?

Ady ifanaovan'ny fahamarinana sy ny sandoka ny fifanandrinana lehibe teo amin'ny tantara hatrizay. Mpandainga i Satana ary rain'ny lainga (Jao. 8:44). I Jesôsy kosa no tompon'ny fahamarinana rehetra; hoy Izy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana." - Jao. 14:6. Ao amin'ny tenin'Andriamanitra no misy ny fahamarinana izay manafaka antsika amin'ireo famitahan'i Satana. Ny Baiboly no manala sarona ireo fitak'i Satana ary mampahafantatra ny drafitr'Andriamanitra. Ny Soratra Masina no fanilon'ny tongontsika (Sal. 119:105). Izao no ambaran'ny mpanao Salamo: "Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an'ny kely saina."- Sal.119:130. Ary ampiany izao teny izao izany: "Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao"- Sal. 119:160.

Vakio ny 2 Pet. 1:16-21. Inona ny toky omen'ny apôstôly antsika mahakasika ny faminaniana? Inona ny sary an'ohatra ampiasainy mba honehoana ny lanjan'ny teny faminanian'Andriamanitra?

Tsy nanaraka ireo "anganongano noforonin'ny hafetsen'ny saina" isika. Manazava ny lalana haleha ireo faminaniana ao amin'ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika hanavaka ny marina amin'ny diso ireny. Raha tsy eo ny Baiboly, dia hatambolimbolin'ny fihevitr'olombelona isika ary ho mora voafitaka. "Ny vahoakan'Andriamanitra dia tarihina ho eo amin' ny Soratra Masina izay fiarovana ho azy amin'ny fitaomana mangina avy amin'ny mpampianatra sandoka sy ny hery mamitaka ampiasain'ny fanahin’ny fahamaizinana. Mampiasa izay fitaka rehetra azony atao i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny Baiboly, izay manambara mazava ny fitaka ataony. (...) Efa mananontanona ilay fitaka farany lehibe. Efa hanao ny asany mahagaga eo imasontsika ny antikristy. Hifanahaka akaiky indrindra amin'ny tena izy ny hala-tahaka ka tsy ho hay ny hanavaka azy raha tsy amin'ny alalan'ny Soratra Masina ihany. (…) Tsy misy afa-tsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin' ny fahamarinan'ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany. Ho tonga amin'ny fanahy tsirairay ilay fisedrana hamantarany ny tena toetrany hoe: Andriamanitra ve no hankatoaviko mihoatra noho ny olona? Efa madiva hipaika ankehitriny ilay ora hanapahana izay ho anjaran'ny tsirairay. Moa ve tafatoetra eo amin'ny vatolampin'ny tenin’Andriamanitra tsy miova ny tongotsika? Moa vonona va isika hijoro tsy ho azo hozongozonina hiaro ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ?" - HM, t. 619.

Saintsaino ireo fanontaniana ao amin'ny teny voalaza etsy ambony. Ahoana no hahafahantsika mijoro ao anatin'ireo toe-java-tsarotra farany? Inona no manelingelina antsika tsy handinika ny tenin'Andriamanitra? Ahoana no mety anaovantsika sorona ny fahamarinana noho ny fanomezantsika fahafaham-po ny tenantsika manokana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal