Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHATOKIANA AMIN'ANDRIAMANITRA SY NY TENINY

Daty
Alahady 16 June 2024

Vakio ny Ohab. 23:23; Jao. 8:32 ary ny Jao. 17:17. Inona no iraisan'ireo andalan-teny ireo?

Ady ifanaovan'ny fahamarinana sy ny sandoka ny fifanandrinana lehibe teo amin'ny tantara hatrizay. Mpandainga i Satana ary rain'ny lainga (Jao. 8:44). I Jesôsy kosa no tompon'ny fahamarinana rehetra; hoy Izy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana." - Jao. 14:6. Ao amin'ny tenin'Andriamanitra no misy ny fahamarinana izay manafaka antsika amin'ireo famitahan'i Satana. Ny Baiboly no manala sarona ireo fitak'i Satana ary mampahafantatra ny drafitr'Andriamanitra. Ny Soratra Masina no fanilon'ny tongontsika (Sal. 119:105). Izao no ambaran'ny mpanao Salamo: "Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an'ny kely saina."- Sal.119:130. Ary ampiany izao teny izao izany: "Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao"- Sal. 119:160.

Vakio ny 2 Pet. 1:16-21. Inona ny toky omen'ny apôstôly antsika mahakasika ny faminaniana? Inona ny sary an'ohatra ampiasainy mba honehoana ny lanjan'ny teny faminanian'Andriamanitra?

Tsy nanaraka ireo "anganongano noforonin'ny hafetsen'ny saina" isika. Manazava ny lalana haleha ireo faminaniana ao amin'ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika hanavaka ny marina amin'ny diso ireny. Raha tsy eo ny Baiboly, dia hatambolimbolin'ny fihevitr'olombelona isika ary ho mora voafitaka. "Ny vahoakan'Andriamanitra dia tarihina ho eo amin' ny Soratra Masina izay fiarovana ho azy amin'ny fitaomana mangina avy amin'ny mpampianatra sandoka sy ny hery mamitaka ampiasain'ny fanahin’ny fahamaizinana. Mampiasa izay fitaka rehetra azony atao i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny Baiboly, izay manambara mazava ny fitaka ataony. (...) Efa mananontanona ilay fitaka farany lehibe. Efa hanao ny asany mahagaga eo imasontsika ny antikristy. Hifanahaka akaiky indrindra amin'ny tena izy ny hala-tahaka ka tsy ho hay ny hanavaka azy raha tsy amin'ny alalan'ny Soratra Masina ihany. (…) Tsy misy afa-tsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin' ny fahamarinan'ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany. Ho tonga amin'ny fanahy tsirairay ilay fisedrana hamantarany ny tena toetrany hoe: Andriamanitra ve no hankatoaviko mihoatra noho ny olona? Efa madiva hipaika ankehitriny ilay ora hanapahana izay ho anjaran'ny tsirairay. Moa ve tafatoetra eo amin'ny vatolampin'ny tenin’Andriamanitra tsy miova ny tongotsika? Moa vonona va isika hijoro tsy ho azo hozongozonina hiaro ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ?" - HM, t. 619.

Saintsaino ireo fanontaniana ao amin'ny teny voalaza etsy ambony. Ahoana no hahafahantsika mijoro ao anatin'ireo toe-java-tsarotra farany? Inona no manelingelina antsika tsy handinika ny tenin'Andriamanitra? Ahoana no mety anaovantsika sorona ny fahamarinana noho ny fanomezantsika fahafaham-po ny tenantsika manokana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal