Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiadanana any Ziona

Daty
Alarobia 13 March 2024

Vakio ny Sal. 46:1-7. Ahoana no anoritsoritana ny tany amin'ny tononkalo eto?

Fanoritsoritana mazava momba ny tany ao anatin’ny korontana no asehon'ny Salamo eto, ary aseho amin‘ireo sarin’ny loza voajanahary mahery vaika tsy mbola nisy toa azy izany (Sal. 46:2, 3). Matetika ny sarin'ny rano mirchondrohona no entina hilazana ireo firenena mikomy sy ny olana samihafa miseho eto amin'izao tontolo izao noho ny ataon’ireo ratsy fanahy (Sal. 93:3, 4; Sal. 124:2-5). Tahaka izany koa, ny sarin’ny loza voajanahary ao amin'ny Sal. 46 dia maneho ny tany fehezin’ireo firenena miady (Sal. 46:6).

Hita mazava fa tontolo tsy manana fahalalana an'Andriamanitra izany, satria Andriamanitra dia €0 anivon'ny vahoakany, ary anjakan'ny fiadanana ny toerana izay onenan’Andriamanitra (Sal. 46:4, 5). Na dia manosi-bohon-tanana an’Andriamanitra aza izao tontolo izao dia tsy mahafoy azy Izy. Eo amin'izao tontoloizaoamin'ny alalan’ny fanatrehany eoanivon'ny vahoakanyAndriamanitra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, na dia ratsy tokoa aza ny fisehoan'ny toe-javatra dia eto amin'izao tontolo izao ny fanatrehan’ Andriamanitra; ary azontsika atao ny hanana fanantenana manokana sy fampaherezana avy amin’ny fahafantarana izany fahamarinana fototra izany.

Jehovah, ilay fialofana tonga lafatra, no Loharanon’ny fiadanana maharitra ao Ziona. "Na (...) aza’, ireo no teny manasongadina ny fiarovana ao Ziona ao amin’ny Sal. 46:3. Na ao anatin'ny savorovoro aza izao tontolo izao, dia voaro ny vahoakan'Andriamanitra. Asehon'izany fa ny fiadanana dia tsy midika ho tsy fisian'ny fizahan-toetra, fa fanomezana atolotr’Andriamanitra ho an'ireo zanany mitoky Aminy. Ny fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra no mitondra fiadanana ho an‘ny zanany ary miaro azy ireo ao anatin’ny tafiotra (Mat. 8:23-27). Iza0 no fanontaniana mipetraka: Avelan’Andriamanitra hanao ny safidiny sy ny asany manimba mandrakizay ve izao tontolo iza0?

Vakio ny Sal. 46:6-11. Inona no asetrin'Andriamanitra ny herisetra sy ny faharavana eto amin'ity tontolo ity?

Mahery tokoa ny fahatezerana nasetrin’Andriamanitra izany ka nampiempo ny tany ny Teniny izay nentiny namorona ny tany (Sal. 46:6), Tsy mifarana amin'ny fandravana anefa izany fiempoana izany fa amin'ny famerenana amin‘ny laoniny. Mariho fa mipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny fiadanan’Andriamanitra avy ao Ziona. Hampitsahatra ny ady Izy ary hofongorany ny fitaovana mitondra faharavana izay nampiasain'ny firenena ratsy fanahy mba hampahoriana ny tany (Sal. 46:9). Izany no fanantenana lehibe ananan’ny Kristianina, izay hiseho amin’ny fiavian'i Jesésy fanindroany.

Ahoana no ianarantsika hanana fiadanana sy hitoky amin’ Andriamanitra eo anivon'ny tontolo izay feno korontana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal