Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 16 August 2024

Vakio ny IFM, toko 47: "Asa fanompoana", sy ny toko 48: "Iza no lehibe indrindra?"

 "Mialoha ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an’i Jaona Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan'Andriamanitra ny Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan'ny olona. Ny mpianatra mitovy amin'ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin'ny asa ho an'Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin'izay mitady ny hamonjy fanahy, fa tsy ny hanandratra ny 'izaho', ireo anjelin'ny lanitra."- IFM, t. 468 (np).

"Izay zavatra rehetra ananantsika tombony raha miolotra amin'ny hafa, — mety ho fanabeazana izany sy toetra amam-panahy kanto sy mendrika, fitaizana kristiana, fanandramana ara-pivavahana, — dia mampanan-trosa antsika amin'izay kely tombon-tsoa kokoa noho isika, ary araka izay azontsika atao, dia tokony hanompo azy isika. Raha matanjaka isika dia tokony hanohana ny tanan'ny malemy. Ny anjelin'ny voninahitra, izay mahita mandrakariva ny tavan'ny Ray any an-danitra, dia mifaly amin'ny fanompoana ireny madinika ireny. Ny fanahy mangovi tra, izay mety manana lafin-toetra maro azo kianina, no karakarainy manokana. Manatrika mandrakariva eo amin'izay ilana azy indrindra ny anjely, dia eo amin'izay manana ny ady mafy indrindra hatao amin'ny tenany, ary eo amin'izay misy toe-javatra mahakivy indrindra manodidina azy. Koa hiara-miasa amin'io fanompoana io ny tena mpanaraka an'i Kristy marina." - IFM, t. 472.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Vakio indray ny Mar. 8:27-29. Impiry ianao no efa nanambara tamin'ny hafa ny finoanao an'i Jesôsy ho Kristy? 

2. Ahoana no hahaizantsika mampifandanja tsara ny fiarahana amin'i Jesôsy (tahaka ny nataon'ireo mpianatra telo Iahy teo an-tampon-tendrombohitra) - sy ny asa fanompoana atao amin'ireo mila fanampiana (toy izay nitranga teo amin'ny tany lemaka rehefa nidina izy ireo ka nihaona tamin'ireo mpianatra sisa)?

3. Ifanakalozy hevitra ny valin'ilay fanontaniana ao amin'ny lesona Alarobia momba ny fahalehibeazana. Ahoana no hamaritanao ny maha-samy hafa ny hevitry ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao sy ny fahalehibeazana araka an'Andriamanitra? Olona toy ny ahoana, ohatra, no ataon'izao tontolo izao hoe lehibe kanefa mety tsy ho izany akory eo imason'Andriamanitra? Ary ny mifamadika amin'izay, olona manao ahoana no lehibe eo imason'Andriamanitra kanefa tsy fantatr'izao tontolo izao ary ataony tsinontsinona mihitsy aza?

4. Ahoana no hianarantsika tsy hanamaivana ny fahotana, araka ny tenin'i Jesôsy hoe aleo kilemaina toy izay hanota? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal