Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 16 August 2024

Vakio ny IFM, toko 47: "Asa fanompoana", sy ny toko 48: "Iza no lehibe indrindra?"

 "Mialoha ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an’i Jaona Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan'Andriamanitra ny Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan'ny olona. Ny mpianatra mitovy amin'ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin'ny asa ho an'Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin'izay mitady ny hamonjy fanahy, fa tsy ny hanandratra ny 'izaho', ireo anjelin'ny lanitra."- IFM, t. 468 (np).

"Izay zavatra rehetra ananantsika tombony raha miolotra amin'ny hafa, — mety ho fanabeazana izany sy toetra amam-panahy kanto sy mendrika, fitaizana kristiana, fanandramana ara-pivavahana, — dia mampanan-trosa antsika amin'izay kely tombon-tsoa kokoa noho isika, ary araka izay azontsika atao, dia tokony hanompo azy isika. Raha matanjaka isika dia tokony hanohana ny tanan'ny malemy. Ny anjelin'ny voninahitra, izay mahita mandrakariva ny tavan'ny Ray any an-danitra, dia mifaly amin'ny fanompoana ireny madinika ireny. Ny fanahy mangovi tra, izay mety manana lafin-toetra maro azo kianina, no karakarainy manokana. Manatrika mandrakariva eo amin'izay ilana azy indrindra ny anjely, dia eo amin'izay manana ny ady mafy indrindra hatao amin'ny tenany, ary eo amin'izay misy toe-javatra mahakivy indrindra manodidina azy. Koa hiara-miasa amin'io fanompoana io ny tena mpanaraka an'i Kristy marina." - IFM, t. 472.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Vakio indray ny Mar. 8:27-29. Impiry ianao no efa nanambara tamin'ny hafa ny finoanao an'i Jesôsy ho Kristy? 

2. Ahoana no hahaizantsika mampifandanja tsara ny fiarahana amin'i Jesôsy (tahaka ny nataon'ireo mpianatra telo Iahy teo an-tampon-tendrombohitra) - sy ny asa fanompoana atao amin'ireo mila fanampiana (toy izay nitranga teo amin'ny tany lemaka rehefa nidina izy ireo ka nihaona tamin'ireo mpianatra sisa)?

3. Ifanakalozy hevitra ny valin'ilay fanontaniana ao amin'ny lesona Alarobia momba ny fahalehibeazana. Ahoana no hamaritanao ny maha-samy hafa ny hevitry ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao sy ny fahalehibeazana araka an'Andriamanitra? Olona toy ny ahoana, ohatra, no ataon'izao tontolo izao hoe lehibe kanefa mety tsy ho izany akory eo imason'Andriamanitra? Ary ny mifamadika amin'izay, olona manao ahoana no lehibe eo imason'Andriamanitra kanefa tsy fantatr'izao tontolo izao ary ataony tsinontsinona mihitsy aza?

4. Ahoana no hianarantsika tsy hanamaivana ny fahotana, araka ny tenin'i Jesôsy hoe aleo kilemaina toy izay hanota? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal