Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 27 September 2024

Vakio ny IFM, toko 81: "Nitsangana ny Tompo", sy ny toko 86: `Mandehana any amin'ny firenena rehetra".

"Ho an'ny mino, dia fitsanganana amin'ny maty sy fiainana Kristy. Tafaverina ao amin'ny Mpamonjintsika ny fiainana izay very noho ny fahotana; manana fiainana ao Aminy izy mba hamelomana izay tiany. Nomena Azy ny zo hanolotra fiainana mandrakizay. Ny fiainana izay napetrany teo amin'ny maha-olombelona, dia raisiny indray ka homeny ny olombelona. lzaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay'. lzay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.' —Jao. 10:10; 4:14; 6:54."

"Ho an'ny mino, dia zavatra kely ihany ny fahafatesana. Fotoana fohy no ilazan'i Kristy an ‘izany. 'Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay'. Ho an'ny Kristiana, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin'ny fanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra, ary raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo." — Jao. 8:51,52; Kôl. 3:4."— IFM, tt. 845,846.

Na ireo mpahay tantara tsy mino an'Andriamanitra aza, ireo izay tsy mety manaiky ny fahamarinan’ny fitsanganana amin'ny maty, dia miaiky fa novonoina tokoa i Jesôsy, ary tsy izany ihany fa taorian'ny fahafatesany dia marobe ny olona nilaza ho nahita an'i Kristy efa nitsangana tamin'ny maty. Dia toy izany no nanombohan'izy ireo naminavina ny fototra niaingan'ny fiangonana kristianina. Ny sasany miezaka manazava ny antony itorian'ny Kristianina izany amin'ny hoe: nanana rahalahy kambana taminy i Jesôsy ka nandroroa ny mason'ny mpianatra, nihevitra fa i Jesôsy no hitany. Ny hafa indray milaza fa tsy tena maty i Jesôsy fa torana fotsiny, ary avy eo novelomina taty aoriana. Ary nisy anankiray koa nilaza fa nisy mponina ivelan'ny tany naka ny fatin'i Jesôsy. [Azonao jerena ny ao amin'ny Risen: Finding Hope in the Empty Tomb, nosoratan'i Clifford Goldstein, (Empty Tomb (Nampa, Idaho: Pacific Press, 2021), ahitanao ny mombamomba ireo tohan-kevitra rehetra ireo, sy ny mahatonga izany tsy hitombina.] 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Inona ny antony mety ho nandaingan’ny mpianatra momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty? Raha ny fantatsika hatreto aloha dia fankahalana, fanilikilihana, ary fanenjehana no nianjady tamin'ny mpianatra noho ny finoany. Inona ny mety ho tombontsoan'izy ireo amin'ny famoronana io tantara io?

2. Inona amin'ireo porofon'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty no maharesy lahatra anao indrindra? Zarao ao amin'ny kilasy ny hevitrao.

3. Saintsaino ny amin'ny fanantenana lehibe atolotry ny fitsanganan'i Jesôsy amin'ny maty ho antsika. Vakio ny 1 Kôr. 15. Manao ahoana ny lanja omen'i Paoly ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal