Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 19 January 2024

Vakio ny Sal. 86:5,15; "Ny fitiavan'Andriamanitra ny olona" toko 1 ao amin'ny DHK.

Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filazalazana samihafa momba ny toetran'Andriamanitra sy ny asany ao amin'ny Salamo ny fahamarinana mikasika ny maha- fitiavana Azy; amin'ny fomba ahoana?

Ny fianarana mandritra ity herinandro ity dia mifantoka amin'ny toetran'Andriamanitra sasantsasany sy ny asa ataony, izay mampiorina an'izao tontolo izao sy mampitoetra azy tsy hihetsika. Miantso an'Andriamanitra - izay Mpamorona sy Mpanjaka, Mpitsara, Mpamonjy araka ny teny fikasana ary Mpanome lalàna ny mpanao Salamo. Aseho bebe kokoa eo amin'ny anarana samihafa iantsoana an'Andriamanitra ny anjara asa tanany eo amin'izao rehetra izao, anisan'izany ny hoe: Mpiandry ondry (Sal. 23:1; Sal. 80:1), Vatolampy famonjena (Sal. 95:1) ary Ray (Sal. 68:5; Sal. 89:26). Azontsika atao ny hitoetra tsy hihetsika eto amin'izao tontolo izao, na dia eo anivon'ny hotakotaky ny fifanandrinana lehibe aza, satria Andriamanitra no manjaka ary koa mahatoky amin'izay ataony sy ambarany rehetra. Na dia tsy feno tanteraka aza ireo lohahevitra ara-teôlôjia ireo dia maneho ny fomba samihafa anehoan'Andriamanitra ny Tenany ao amin'ny Salamo izany.

Raha manohy ny fandinihana ny Salamo isika, dia zava-dehibe ny hahatsiarovantsika fa tokony hovakina amim-pisaintsainana ny toetran'Andriamanitra (be fitiavana sy feno fahasoavana) sy ny drafitra hoentiny mamonjy sy mamerina izao tontolo izao amin'ny laoniny izany. "Arakaraka ny andinihantsika ny toetran'Andriamanitra izay asehon'ny hazo fijaliana no hahitantsika ny famindram-po sy ny fitiavana ary ny famelan-keloka miharo amin'ny rariny sy ny hitsiny. Amin'izany koa no hahitantsika mazava tsara ireo porofo maroben'ny fitiavana tsy manam-petra sy ny fiantrana izay mihoatra lavitra ny fangorahan'ny reny ny zanany mania."- SC, t. 15. Ao amin'ny Salamo, na dia miatrika ny fitsaran'Andriamanitra noho ny fikomiany aza ny olona, dia mbola miantso an'Andriamanitra ihany izy satria fantany fa maharitra fotoana fohy ny Fahatezerany fa mandrakizay kosa ny Indrafony (Sal. 103:8).

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Nahoana ny fahatakarana ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe sy ny fidadasik'izany no zava-dehibe ho an'ny fahatakarantsika fa mbola be dia be ny fahoriana sy ny fijaliana eto amin'ny tontolontsika na dia eo aza ny fanapahan'Andriamanitra sy ny fiandrianany? Nahoana no ilaintsika tokoa ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe?
  2. Tokony hamolavola ny fahatakarana ny momba antsika sy ny fifandraisantsika amin'ny zavaboary hafa rehetra ny finoana ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra, amin'ny fomba ahoana? Inona no mitranga rehefa miala amin'izany fahamarinana izany ny olona (Sal. 106:35-42)?
  3. Inona ny olan'ireo sampin'ny firenena hafa tamin'ny andron'ny Baiboly? (Sal. 115:4-8) Ahoana ny amin'ireo sampy môderina? Nahoana izy ireny no mampidi- doza koa ho an'ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra?
  4. Ahoana no tokony ho fomba fiainan'ny vahoakan' Andriamanitra eo anatrehan'ny fahafantarana fa ny fitsaran'Andriamanitra dia miantomboka amin'ny olony? Toy ny ahoana ny fitsaran'Andriamanitra ny olony ary inona no anton'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal