Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 19 January 2024

Vakio ny Sal. 86:5,15; "Ny fitiavan'Andriamanitra ny olona" toko 1 ao amin'ny DHK.

Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filazalazana samihafa momba ny toetran'Andriamanitra sy ny asany ao amin'ny Salamo ny fahamarinana mikasika ny maha- fitiavana Azy; amin'ny fomba ahoana?

Ny fianarana mandritra ity herinandro ity dia mifantoka amin'ny toetran'Andriamanitra sasantsasany sy ny asa ataony, izay mampiorina an'izao tontolo izao sy mampitoetra azy tsy hihetsika. Miantso an'Andriamanitra - izay Mpamorona sy Mpanjaka, Mpitsara, Mpamonjy araka ny teny fikasana ary Mpanome lalàna ny mpanao Salamo. Aseho bebe kokoa eo amin'ny anarana samihafa iantsoana an'Andriamanitra ny anjara asa tanany eo amin'izao rehetra izao, anisan'izany ny hoe: Mpiandry ondry (Sal. 23:1; Sal. 80:1), Vatolampy famonjena (Sal. 95:1) ary Ray (Sal. 68:5; Sal. 89:26). Azontsika atao ny hitoetra tsy hihetsika eto amin'izao tontolo izao, na dia eo anivon'ny hotakotaky ny fifanandrinana lehibe aza, satria Andriamanitra no manjaka ary koa mahatoky amin'izay ataony sy ambarany rehetra. Na dia tsy feno tanteraka aza ireo lohahevitra ara-teôlôjia ireo dia maneho ny fomba samihafa anehoan'Andriamanitra ny Tenany ao amin'ny Salamo izany.

Raha manohy ny fandinihana ny Salamo isika, dia zava-dehibe ny hahatsiarovantsika fa tokony hovakina amim-pisaintsainana ny toetran'Andriamanitra (be fitiavana sy feno fahasoavana) sy ny drafitra hoentiny mamonjy sy mamerina izao tontolo izao amin'ny laoniny izany. "Arakaraka ny andinihantsika ny toetran'Andriamanitra izay asehon'ny hazo fijaliana no hahitantsika ny famindram-po sy ny fitiavana ary ny famelan-keloka miharo amin'ny rariny sy ny hitsiny. Amin'izany koa no hahitantsika mazava tsara ireo porofo maroben'ny fitiavana tsy manam-petra sy ny fiantrana izay mihoatra lavitra ny fangorahan'ny reny ny zanany mania."- SC, t. 15. Ao amin'ny Salamo, na dia miatrika ny fitsaran'Andriamanitra noho ny fikomiany aza ny olona, dia mbola miantso an'Andriamanitra ihany izy satria fantany fa maharitra fotoana fohy ny Fahatezerany fa mandrakizay kosa ny Indrafony (Sal. 103:8).

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Nahoana ny fahatakarana ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe sy ny fidadasik'izany no zava-dehibe ho an'ny fahatakarantsika fa mbola be dia be ny fahoriana sy ny fijaliana eto amin'ny tontolontsika na dia eo aza ny fanapahan'Andriamanitra sy ny fiandrianany? Nahoana no ilaintsika tokoa ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe?
  2. Tokony hamolavola ny fahatakarana ny momba antsika sy ny fifandraisantsika amin'ny zavaboary hafa rehetra ny finoana ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra, amin'ny fomba ahoana? Inona no mitranga rehefa miala amin'izany fahamarinana izany ny olona (Sal. 106:35-42)?
  3. Inona ny olan'ireo sampin'ny firenena hafa tamin'ny andron'ny Baiboly? (Sal. 115:4-8) Ahoana ny amin'ireo sampy môderina? Nahoana izy ireny no mampidi- doza koa ho an'ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra?
  4. Ahoana no tokony ho fomba fiainan'ny vahoakan' Andriamanitra eo anatrehan'ny fahafantarana fa ny fitsaran'Andriamanitra dia miantomboka amin'ny olony? Toy ny ahoana ny fitsaran'Andriamanitra ny olony ary inona no anton'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal