Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 09 February 2024

Vakio ny boky Sambatra, "Ny tena fahasambarana", t. 10-16; 29-35.

Manohitra ny tsy firaihan'ny olombelona eo anatrehan'ny tsy rariny ny Salamo; maneho fandavana ny ratsy izy. Tsy asesiky ny faniriana hamaly faty fa ny hafanam- po hanome voninahitra an'Andriamanitra kosa ny Salamo. Koa rariny raha faly ny olo-marina rehefa ho hitany ny famalian'Andriamanitra ny ratsy, satria amin'izany fomba izany no anaporofoana amin'izao tontolo izao ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinany. Manery ny olona hiloa-peo manoloana ny ratsy ny Salamo, ka hikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany. Omena toky isika ao amin'ny Salamo fa hampahery sy hanafaka antsika Andriamanitra. Hitsangana ny Tompo!

"Raha haratsian'ny olona sy enjehiny hianareo,' hoy i Kristy, dia 'mifalia sy miravoravoa. Nampahatsiahiviny ny mpihaino Azy ireo mpaminany fahiny izay niteny tamin'ny Anaran'ny Tompo, ka notondroiny halaina 'ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy faharetana' - Jak. 5:10 nananan'izy ireny. Maty martiora i Abela, ilay Kristianina voalohany indrindra, zanak'i Adama. Niara-dia tamin'Andriamanitra i Enôka, ary nankahala azy izao tontolo izao. Nendrikendrehina ho mpitompo teny fantatra sy mpamendrofendro vahoaka foana i Nôà. 'Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa.' 'Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra.'- Heb. 11:36,35."- S, t. 33.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Noho ny alahelo vokatry ny fisian'ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao dia mety hanontany tena ny olona raha manjaka marina tokoa Andriamanitra. Ahoana no hikolokoloantsika ny finoantsika ho mafy orina sy hatanjaka hatrany na dia ao anatin'ny fakam-panahy aza? Izany hoe, inona no tsy maintsy ifantohantsika mba tsy hialan'ny finoantsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny heriny? Tokony hanambara inona amintsika momba an'Andriamanitra sy ny toetrany ny hazo fijaliana?
  2. Nahoana no zava-dehibe ny fianteherana amin'ny Tenin' Andriamanitra sy ny fitsarany fa tsy amin'ny fahendren'olombelona (ny mpitarika, ny rafitra, na ny hetsika sôsialy) sy ny vahaolana entiny mba hisian'ny rariny eto amin'izao tontolo izao?
  3. Midika inona ny hoe: ny fitoerana masina no toerana isehoan'ny fitsaran'Andriamanitra?
  4. Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny fiteny henjana hita ao amin'ny Salamo sasany? Ahoana no anampian'ireny fiteny ireny antsika hahazo an-tsaina ny maha-olombelona ireo izay nanoratra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal