Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 09 February 2024

Vakio ny boky Sambatra, "Ny tena fahasambarana", t. 10-16; 29-35.

Manohitra ny tsy firaihan'ny olombelona eo anatrehan'ny tsy rariny ny Salamo; maneho fandavana ny ratsy izy. Tsy asesiky ny faniriana hamaly faty fa ny hafanam- po hanome voninahitra an'Andriamanitra kosa ny Salamo. Koa rariny raha faly ny olo-marina rehefa ho hitany ny famalian'Andriamanitra ny ratsy, satria amin'izany fomba izany no anaporofoana amin'izao tontolo izao ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinany. Manery ny olona hiloa-peo manoloana ny ratsy ny Salamo, ka hikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany. Omena toky isika ao amin'ny Salamo fa hampahery sy hanafaka antsika Andriamanitra. Hitsangana ny Tompo!

"Raha haratsian'ny olona sy enjehiny hianareo,' hoy i Kristy, dia 'mifalia sy miravoravoa. Nampahatsiahiviny ny mpihaino Azy ireo mpaminany fahiny izay niteny tamin'ny Anaran'ny Tompo, ka notondroiny halaina 'ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy faharetana' - Jak. 5:10 nananan'izy ireny. Maty martiora i Abela, ilay Kristianina voalohany indrindra, zanak'i Adama. Niara-dia tamin'Andriamanitra i Enôka, ary nankahala azy izao tontolo izao. Nendrikendrehina ho mpitompo teny fantatra sy mpamendrofendro vahoaka foana i Nôà. 'Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa.' 'Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra.'- Heb. 11:36,35."- S, t. 33.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Noho ny alahelo vokatry ny fisian'ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao dia mety hanontany tena ny olona raha manjaka marina tokoa Andriamanitra. Ahoana no hikolokoloantsika ny finoantsika ho mafy orina sy hatanjaka hatrany na dia ao anatin'ny fakam-panahy aza? Izany hoe, inona no tsy maintsy ifantohantsika mba tsy hialan'ny finoantsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny heriny? Tokony hanambara inona amintsika momba an'Andriamanitra sy ny toetrany ny hazo fijaliana?
  2. Nahoana no zava-dehibe ny fianteherana amin'ny Tenin' Andriamanitra sy ny fitsarany fa tsy amin'ny fahendren'olombelona (ny mpitarika, ny rafitra, na ny hetsika sôsialy) sy ny vahaolana entiny mba hisian'ny rariny eto amin'izao tontolo izao?
  3. Midika inona ny hoe: ny fitoerana masina no toerana isehoan'ny fitsaran'Andriamanitra?
  4. Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny fiteny henjana hita ao amin'ny Salamo sasany? Ahoana no anampian'ireny fiteny ireny antsika hahazo an-tsaina ny maha-olombelona ireo izay nanoratra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal