Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 02 February 2024

Vakio ny Sal. 56; ny "Fifaliana ao amin'ny Tompo, toko faha-13 ao amin'ny DHK.

Tahaka ireo mpanao Salamo, dia manontany tena matetika ireo vahoakan'Andriamanitra hatrizay ny amin'ny fomba hihirana ny hiran'i Jehovah any "an-tany nivahianiana". Miatrika fihaikana ny finoantsika ny fanapahan'Andriamanitra; misy fotoana mampivaivay izany, ary mety hanontany tena isika raha toa Andriamanitra mifehy ny toe-javatra tokoa na koa mahery sy tsara araka izay lazain'ny Soratra Masina tokoa Izy.

Matetika ny finoan'ny Baiboly no miteraka fisalasalana sy mampametra-panontaniana antsika kanefa mitondra toky sy fahazoana antoka koa. Mila tsy ho zaka indraindray ny tsy fahazoana antoka sy ny zava-miafina mampitaintaina, indrindra eo anatrehan'ny faharatsiana sy ny toa fanginan Andriamanitra. Kanefa aoka tsy hisalasala ny amin'Andriamanitra sy ny toetrany be fitiavana sy marina ary mendri-pitokiana. Mety tsy hahazo antoka ny amin'ny hoavy ny mpanao Salamo nefa matetika izy ireo no mitodika amin'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mandiso fanantenana sy ny Fahatokiany (Sal. 36:5-10; Sal. 89:2,8).

Tokony hanaraka izany ohatra izany koa isika. "Angony ny herinao rehetra mba hiandrandranao fa tsy hiondrehanao hijery ny toe-java-tsarotra; dia tsy ho reraka an-dalana ianao. Tsy ho ela dia hahita an'i Jesôsy ao ambadiky ny rahona ianao, hanatsotra ny Sandriny hanampy anao Izy; ary ny hany ilainao atao dia ny hanatsotra Aminy ny tananao amin'ny finoana tsotra ary koa ny hamela Azy hitarika anao. Rehefa feno fitokiana ianao, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy, dia ho feno fanantenana."- TFC, b. 5, tt. 578, 579.

Tsy mampalemy ny herin'ny vavaka ny fotoana izay "hanafenan'Andriamanitra ny Tavany". Mifanohitra amin'izany aza, nahatonga ny mpanao Salamo handini-tena izany, nahatsiarovany ny famonjen'Andriamanitra tamin'ny lasa ka nitadiavany an'Andriamanitra tamin'ny fiaiken- keloka sy ny fangatahana feno fanetren-tena (Sal. 77:10-12; Sal. 89:46-52). "Mihamatanjaka ny finoana rehefa mifanehatra amin'ny fisalasalana sy ny hery samihafa manohitra azy. Sarobidy lavitra noho ny firavaka lafo vidy indrindra ny fanandramana azo avy amin'ireny fizahan-toetra ireny."-TFC, b. 3, t. 555.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Toy ny ahoana ny fisalasalana sy tahotra niainan'ny mpanao Salamo teo anatrehan'ny faharatsiana? Inona koa ny adin-tsaina natrehinao ary ahoana no niatrehanao izany? Ahoana no hihazonanao ny finoanao ao anatin'ny fotoana tahaka izany?
  2. Aiza isika no tokony hitady valinteny rehefa zahan-toetra amin'ny fitsapana ny finoantsika an'Andriamanitra, na koa zahan'ny olona toetra noho ny fisalasalan'izy ireo momba ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny Heriny vokatry ny fahorian'izy ireo? 
  3. Ahoana no amalianao ny fanontaniana fametraky ny olona mikasika ny faharatsiana eto amin'ny tontolo nohariana sy tohanan'ilay Andriamanitra Tsitoha izay be fitiavana? Ahoana no anampian'ny hevitra momba ny fifanandrinana lehibe amin'ny famaliana, farafahakeliny amin'ny ampahany, izany fihaikana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal