Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 02 February 2024

Vakio ny Sal. 56; ny "Fifaliana ao amin'ny Tompo, toko faha-13 ao amin'ny DHK.

Tahaka ireo mpanao Salamo, dia manontany tena matetika ireo vahoakan'Andriamanitra hatrizay ny amin'ny fomba hihirana ny hiran'i Jehovah any "an-tany nivahianiana". Miatrika fihaikana ny finoantsika ny fanapahan'Andriamanitra; misy fotoana mampivaivay izany, ary mety hanontany tena isika raha toa Andriamanitra mifehy ny toe-javatra tokoa na koa mahery sy tsara araka izay lazain'ny Soratra Masina tokoa Izy.

Matetika ny finoan'ny Baiboly no miteraka fisalasalana sy mampametra-panontaniana antsika kanefa mitondra toky sy fahazoana antoka koa. Mila tsy ho zaka indraindray ny tsy fahazoana antoka sy ny zava-miafina mampitaintaina, indrindra eo anatrehan'ny faharatsiana sy ny toa fanginan Andriamanitra. Kanefa aoka tsy hisalasala ny amin'Andriamanitra sy ny toetrany be fitiavana sy marina ary mendri-pitokiana. Mety tsy hahazo antoka ny amin'ny hoavy ny mpanao Salamo nefa matetika izy ireo no mitodika amin'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mandiso fanantenana sy ny Fahatokiany (Sal. 36:5-10; Sal. 89:2,8).

Tokony hanaraka izany ohatra izany koa isika. "Angony ny herinao rehetra mba hiandrandranao fa tsy hiondrehanao hijery ny toe-java-tsarotra; dia tsy ho reraka an-dalana ianao. Tsy ho ela dia hahita an'i Jesôsy ao ambadiky ny rahona ianao, hanatsotra ny Sandriny hanampy anao Izy; ary ny hany ilainao atao dia ny hanatsotra Aminy ny tananao amin'ny finoana tsotra ary koa ny hamela Azy hitarika anao. Rehefa feno fitokiana ianao, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy, dia ho feno fanantenana."- TFC, b. 5, tt. 578, 579.

Tsy mampalemy ny herin'ny vavaka ny fotoana izay "hanafenan'Andriamanitra ny Tavany". Mifanohitra amin'izany aza, nahatonga ny mpanao Salamo handini-tena izany, nahatsiarovany ny famonjen'Andriamanitra tamin'ny lasa ka nitadiavany an'Andriamanitra tamin'ny fiaiken- keloka sy ny fangatahana feno fanetren-tena (Sal. 77:10-12; Sal. 89:46-52). "Mihamatanjaka ny finoana rehefa mifanehatra amin'ny fisalasalana sy ny hery samihafa manohitra azy. Sarobidy lavitra noho ny firavaka lafo vidy indrindra ny fanandramana azo avy amin'ireny fizahan-toetra ireny."-TFC, b. 3, t. 555.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Toy ny ahoana ny fisalasalana sy tahotra niainan'ny mpanao Salamo teo anatrehan'ny faharatsiana? Inona koa ny adin-tsaina natrehinao ary ahoana no niatrehanao izany? Ahoana no hihazonanao ny finoanao ao anatin'ny fotoana tahaka izany?
  2. Aiza isika no tokony hitady valinteny rehefa zahan-toetra amin'ny fitsapana ny finoantsika an'Andriamanitra, na koa zahan'ny olona toetra noho ny fisalasalan'izy ireo momba ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny Heriny vokatry ny fahorian'izy ireo? 
  3. Ahoana no amalianao ny fanontaniana fametraky ny olona mikasika ny faharatsiana eto amin'ny tontolo nohariana sy tohanan'ilay Andriamanitra Tsitoha izay be fitiavana? Ahoana no anampian'ny hevitra momba ny fifanandrinana lehibe amin'ny famaliana, farafahakeliny amin'ny ampahany, izany fihaikana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal