Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 23 February 2024

Toa tsy dia tadiavin'ny olona loatra mihoatra noho ny fahasambarana ny fahendrena ankehitriny. Aleon'ny olona ho sambatra toy izay ho hendry. Mety ho sambatra sy ho afa-po marina ve isika kanefa tsy manana fahendrena avy any ambony? Mazava ny ambaran'ny Salamo fa tsia. Izao no vaovao mahafaly: tsy asaina misafidy amin'ireo roa ireo isika. Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra mantsy no mitondra ny fahasambarana marina.

Misy ohatra tsotra iray avy amin'ny fiteny hebreo, afaka manazava izany hevitra izany. Ny teny hoe "dia" ('ashurey) dia saika mitovy amin'ny teny hoe "hasambarana" ('ashrey) amin'ny teny hebreo. Mampita hafatra lehibe izany, na dia tsy araka izany aza no hita amin'ny fitenintsika: ny "diantsika" eo amin'ny lalan'Andriamanitra dia mizotra ho amin'ny "fiainam-pahasambarana" (Sal. 1:1; Sal. 17:5; Sal. 37:31; Sal. 44:18; Sal. 89:15; Sal. 119:1). Ao amin'ny Baiboly, na ny fahendrena na ny fahasambarana dia tsy hevitra manjavozavo fa tena fanandramana iainana.

Ao amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra no ahitana azy ireo. Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 25:14: "Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy."

"Isaorana anie Andriamanitra, noho ireo sary mamirapiratra nasehony tamintsika. Aoka hangonintsika hatao am-pehezany ny fanomezan-tokim-pitiavany, mba hahazoantsika mijery izany lalandava: Ny Zanak'Andriamanitra nandao ny seza fiandrianan'ny Rainy, nitafy nofo mba hahazoany mamonjy ny olombelona amin'ny herin'i Satana; ny fandresena nataony ho antsika ka namohany ny lanitra ho an'ny olombelona, sy nampahitany antsika ny toerana izay anehoan'Andriamanitra ny voninahiny; ny zanak'olombelona lavo, nasandratra avy tamin'ny lavaky ny fahaverezana, izay nandentehan'ny ota ka nampiraisina indray amin'llay Andriamanitra tsy manam-petra, ary rehefa niaritra ny fitsapana amin'ny alalan'ny finoana ny Mpanavotra, dia nampitafiana ny fahamarinan'i Kristy, ka nasandratra eo amin'ny seza fiandrianany - izany no sary tian'Andriamanitra hobanjinintsika." - DHK, t. 133.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Ahoana no maha-loharanom-pifaliana ny Tenin'Andriamanitra fa tsy fampianarana fotsiny? Inona no ifandraisan'ny mivoky amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny mitoetra ao amin'i Jesôsy Kristy llay Teny (Jao. 1:1; Jao. 15:5,7)?
  2. Inonano mitranga rehefa minia mandà hatrany ny fampianaran'Andriamanitra ny olona (Sal. 81; Sal. 95)? Araka ny hevitrao, nahoana no izany no mitranga?
  3. Nahoana indraindray no toa manintona kokoa ny lalan'ny mpanao ratsy noho ny torohevitry ny marina? Izany hoe, raha ambinina amin'ny lalany ny ratsy fanahy matetika, ahoana no tokony handraisantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal