Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 31 May 2024

"Noho ny tsy nahazoany niantehitra tamin'ny fanambaran'ny Soratra Masina, dia maro no nikiribiby nanantitrantitra hoe: Nahoana ny olona ambony ao amintsika no tsy mahalala ny momba io Sabata io? An-kavitsiana no mba mino tahaka anareo. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe ny anareo no marina fa diso avokoa ireo olona manampahaizana eo amin'izao tontolo izao,' hadinony anefa fa fomba fisaina toy izany indrindra no efa nenti-namely an'i Kristy sy ny apôstôliny.

Mba hanoherana ny fonjan-kevitra toy izany dia ampy ny nilaza ny fampianaran'ny Soratra Masina sy ny tantaran'ny fifandraisan'ny Tompo tamin'ny vahoakany nandritra ny taona nifandimby."

Nitandrina ny Alahady anefa ireo Kristiana tamin'ny taranaka lasa, ary nihevitra izy tamin'ny fanaovany an'izany, fa nitandrina ny Sabatan'ny Baiboly; ary ankehitriny dia misy kristiana marina ao amin'ny fiangonana tsirairay, ary tsy avahana amin'izany ny Katolika Rômana, amin'ny ankapobeny izay mino marina amin'ny fony tokoa fa ny Alahady no Sabata notendren'Andriamanitra. Eken'Andriamanitra ny fahatsoram-pony eo amin'ny fikasany sy ny hitsim-pony eo anatrehany. Nefa kosa rehefa hamafisin'ny lalana ny fitandremana ny Alahady ka handray fahazavana izao tontolo izao mikasika ny tsy maintsy hitandremana ny Sabata marina, amin'izay, na iza na iza handika ny baikon'Andriamanitra, mba hankato fitsipika izay tsy avy amin'ny fahefana ambony kokoa noho ny an'i Rôma, dia hanome voninahitra ny papa ambonin'Andriamanitra. Miondrika eo anoloan'i Rôma sy ny fahefana izay manamafy ny zavatra naorin'i Rôma izy. Miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny izy. Amin'izay raha misy olona mitsipaka izay natsangan'Andriamanitra ka nolazainy fa famantarana ny fahefany, ary manaja ho solon'izany izay nofidin'i Rôma ho porofon'ny fahefany faratampony dia hanaiky ny famantarana ny fiandaniany amin'i Rôma izy, ny mariky ny bibi-dia' izany. Ary raha tsy voaseho mazava toy izany eo amin'ny vahoaka izay ho vokany, ka entina hisafidy izy na ny didin'Andriamanitra na ny didin'ny olombelona, dia handray `ny mariky ny bibi-dia' ireo izay mikiry handika ny didin'Andriamanitra." HM, ft. 469, 463.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Miova haingana sy amin'ny fomba manaitra tokoa izao tontolo izao. Ahoana no tokony hitandremantsika mandrakariva mba tsy ho tampoka ka tsy hahavonona antsika ireo toe-javatry ny andro farany?

2. Mifandraika amin'ny famonjena antsika amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany ny fahatakarana momba ny fitsarana sy ny lalan'Andriamanitra, amin'ny fomba ahoana?

3. Ahoana no ahazoantsika mijoro ho vavolombelona amin'ireo izay tsy mahatakatra ny hevitry ny Sabata tena izy ka mitandrina an-kitsim-po ny Alahady izay andro voalohany amin'ny herinandro?

4. lnona avy ireo loza mifandraika amin'ny fikambanan'ny fahefan'ny fiangonana sy ny fanjakana? Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny fitondram-panjakana amin'ny maha-Kristianina antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal