Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 14 June 2024

Mampahatsiahy ny Dan. 3 ny fiankohofana amin'ny bibidia sy ny sariny, raha nandray baiko avy tamin'ny mpanjakan'i Babilona i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny hiankohofany manoloana ny sary iray vita amin'ny volamena raha tsy izany dia hatsipy ao anatin'ny Iafaoro misy afo mirehitra izy. Babilôna fahiny sy Babilôna moderina — ny fiankohofana no lohahevitra eto. Ny tena fiankohofana marina dia avy amin'ny saina ampianarin'ny Tenin'Andriamanitra, avy amin'ny fanahy voaovan'ny fitiavany sy ny fo feno ny Fanahy. Noho izany, tsy "hanahaka an'izao tontolo izao" isika fa hivelona araka ny sitrapon'Andriamanitra hita ao amin'ny Teniny. Izany no hany fiarovana ho antsika! "Na oviana na oviana Andriamanitra tsy manery ny sitrapo na ny feon'ny fieritreretana; fa izay ampiasain'i Satana mandrakariva kosa mba ahazoany mandresy izay tsy azony fitahina amin'ny fomba hafa dia ny fanerena amin'ny alalan'ny halozana. Na amin'ny alalan'ny fampitahorana na ny herisetra dia miezaka izy hanapaka amin'ny feon'ny fieritreretana, ka hahazo voninahitra ho an'ny tenany. Mba hahatanterahany izany, dia samy ampiasainy ny fahefana ara-pivavahana na ny ara-panjakana, ka hamporisihiny izy ireo hanamafy ny lalan'olombelona ho enti-mihaika ny lalàn’Andriamanitra." HM, t. 617..

"Mba hahazakany ny fitsapana eo anoloany, dia tsy maintsy mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra araka izay voambara ao amin'ny teniny izy ireo; tsy afaka hanome voninahitra Azy izy raha tsy manana fahalalana marina ny amin'ny toetrany, sy ny fitondram-panjakany ary ny fikasany ka hanao asa mifanaraka amin'izany. Tsy misy afa-tsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany." — HM, t. 619

 "Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin'ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana rehetra. Ny hevitry ny manam-pahaizana, ny fehin-kevitra avy amin'ny `siansa', ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheveran-draharaha ara-pivavahana, izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon'ny maro an'isa tsy misy na ny iray amin'ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoenti-manamarina na manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray. Alohan'ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny 'Izao no lazain'i Jehôvah' mazava ho enti-manohana izany isika." — HM, t. 621.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

1. Ahoana no ahazoantsika mivelona ao amin'ny fiandrasana ny fiavian'i Kristy sy mizara izany fanantenana izany kanefa tsy manaitra ny hafa tsy amin'ny antony?

2. Halalino ny momba ny fiankohofana. Inona no ambaran'ny fiainantsika sy ny fahazarantsika isan'andro momba izay iankohofantsika?

3. Ahoana no ahafahantsika miomana sy manampy ny hafa hiatrika ny hoavy amin-toky fa tsy amin-tahotra?

4. Mitondra fiovana eo amin'ny fiainantsika ankehitriny ve ny fahatakarana ireo toe-javatry ny andro farany, inona izany fiovana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal