Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 22 December 2023

"Ho an'ny ankohonand rehetra, ny sekoly, my ray aman-dreny, my mpanabe, ary ny ankizy rehetra efa nomena ny fahazavan'ny filazantsara, symiaina ao anatin 'izoo fotoan-tsarotra izao, Ity famontaniana ity, izay napetraka tamin'i Estera mpanjakavavy koa tao anatin 'ilay olana lehibe teo amin'ny tantaran 'ny Isiraely: 'Ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana."-Est. 4:14-FK, L 298

I Estera dia tovovavy jiosy tsara tarchy, zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-drenin'i Mördekay, izay nandray azy tao aminy taorian'ny nahafatesan'ireo ray aman-dreniny ka nitia azy ho toy ny zanaka naterany. Nampiasa azy hamonjy ny vahouka jiosy tany amin'ny firenen'i Persia Andriamanitra." (Fanamarihana: ity paragrafy faharoa eto ambony ity dia fampidirana ao anatin'ny resaka momba an'i Estera ao amin'ny Daughters of God, 1. 45, izay tsy nosoratan'i Ellen White, Ireto lahateny roa manaraka ireto kosa dia samy nosoratany.)

"Tamin'ny andro taloha, dia niasa tamin'ny fomba mahatalanjona ny Tompo tamin'ny alalan'ny vehivavy feno fanoloran-tena izay niara-niasa tamin'irco lehilahy nofidin Andriamanitra ho solontenany. Nampiasa ny vehivavy Izy mba hitondrana fandresena lehibe sy manan-danja. Mihoatra ny indray mandeha no nametrahany ny vehivavy hitarika sy niasany tamin'ny alalan'izy ireny ho famonjena ain'olona marobe tao anatin'ny fotoam-pahamchana. Tamin'ny alalan'i Estera mpanjakavavy no nanatanterahan'ny Tompo fanafahana lehibe ho an'ny vahoakany. Tamin'ny fotoana izay niheverana fa tsy hisy fahefana hahavonjy azy ireo, no niatrehan'i Estera sy ireo vehivavy niaraka taminy ny toe-javatra, tamin'ny alalan'ny fifadian- kanina sy ny fivavahana ary ny fandraisana andraikitra haingana ka nitondrany famonjena ho an'ny olony. (...)

"Hampianatra lesona izay hahafahantsika miatrika ny fotoam-pahamchana co amin'ny asa ankehitriny ny fandinihana ny asan'ny vehivavy nifandraika tamin'ny raharahan' Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha. Mety tsy hitana toerana manan-danja sy miavaka tahaka ireo vahoakan' Andriamanitra tamin'ny andron'i Estera isika, kanefa matetika ny vehivavy niova fo no afaka mitana anjara asa manan-danja eo amin'ny toerana ambanimbany kokoa noho ny an'i Estera. Marobe no efa nanao izany ary mbola manao izany."- DG, tt. 45, 46

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Ny bokin'i Estera dia mametraka fanontaniana maro tsy misy valiny ho antsika, indrindra ny momba ny anjara asan'i Estera tao an-dapan'ny mpanjaka, na dia nasandratra teo amin'ny laharan'ny mpanjakavavy aza izy. Ahoana no hampifandraisantsika ireo singa ireo amin'ny finoany? Moa azontsika atao ve Izany?
  2. Ireo teny fanta-daza nataon'i Estera hoe: "koa raha tàhiny maty aho dia mały"- Est. 4:16, dia nanakoako an'arivo taona ho ohatry ny fahatokiana, na dia miatrika fahafatesana aza. Ahoana no anehoan'ireo teniny ny toe-javatra hatrehin'ny vahoakan Andriamanitra amin'ny andro farany, rehefa ho tanteraka ireo voalaza ao amin'ny Apok. 13?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal