Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FOTOAN-TSAROTRA HO AVY

Daty
Alatsinainy 10 June 2024

Ny faminaniana momba ny mariky ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 dia milaza amintsika ny sehatra mivaivay sy ratsy indrindra misy ny ady ifanaovan'i Satana amin'Andriamanitra. Hatramin'ny nahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana dia fantatr'ilay fahavalo fa resy izy saingy tapa-kevitra izy ny hisarika olona maro araka izay azo atao hiaraka aminy amin'ny fianjerany. Ny famitahana no paikadiny voalohany amin'izany fitaomana izany. Rehefa tsy mandaitra ny famitahana dia mampiasa hery izy. Izy no ao ambadiky ny didy mampamono na iza na iza manda tsy hiankohoka amin'ny bibidia na tsy handray ny mariny.

Mazava loatra fa tsy zava-baovao ny fanenjehana ara-pivavahana. Efa nisy izany hatramin'ny namonoan'i Kaina an'i Abela noho ny nankatoavany ny baikon'Andriamanitra. Nolazain'i Jesôsy fa hitranga izany na dia eo amin'ny samy mpino aza.

Vakio ny Jao. 16:2; Mat. 10:22; 2 Tim. 3:12 ary ny 1 Pet. 4:12. Inona no niainan’ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao ary ahoana no hiharan'izany amin'ny fiangonan'i Kristy amin'ny andro farany?

Fahita matetika teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina ny fanenjehana. Niseho izany tao Rôma jentilisa saingy niavaka indrindra tamin'ny fanenjehana mahatsiravina ireo Kristianina mpino ny Baiboly izay nataon'ny Eglizy tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany. Ny mariky ny bibidia no masom-by farany amin'io rojon'ny helo io. Tahaka ireo fanenjehana tamin'ny lasa dia natao hanerena ny olona rehetra hanaraka foto-pinoana vitsivitsy sy rafi-pivavahana nahazo fankatoavana manokana izany.

Ambaran'ny faminaniana fa hanomboka amin'ny famaizana ara-ekonômika ny fanenjehana: tsy misy olona afaka mividy na mivarotra raha tsy manana ny marika. Na iza na iza manda tsy handray ny marika dia hiharan'ny didy fampamonoana amin'ny farany (Apôk . 13:15,17)

Ny devoly dia manomana sahady ny fandraisan'ireo mitonona ho Kristianina ny mariky ny bibidia rehefa ho avy ny fizahan-toetra farany izay hampirisihany azy ireo hanao marimaritra iraisana eo amin'ny fiainany. Rehefa hita fa manaraka ny bibidia amim-pitalanjonana ny tany manontolo (Apôk. 13:3) dia miova tampoka ny sehatra ka mifantoka amin'ny olon'Andriamanitra ny faminaniana. Maneho amintsika izany sary izany ny Apôk14:12. "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ." Miaina fiainam-pankatoavana feno fitiavana an'Andriamanitra ny vahoakany. Noho ny fahasoavany dia mitoetra tsara izy ireo na dia mihozongozona aza ny manodidina azy rehetra. Manaraka ny bibidia izao tontolo izao fa izy ireo kosa "manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany" - Apôk. 14:4. Amin'ny alalan'ny herin'i Kristy no andresen'izy ireo ny herin'ny helo ajoro manoloana azy.

Araka ny efa hitantsika tao amin'ny lesona 9 dia ny fiankohofana no fototry ny fifanandrinana eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Mampiasa famitahana ny bibidia ary rehefa mandamoka ireo dia ny herisetra sy ny fanerena indray no ataony.

Hafainganana toy ny ahoana no amelanao ny fiheverana ara-ekonomika hanimba ny fitandremana ny Sabata?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal