Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FOTOAN-TSAROTRA HO AVY

Daty
Alatsinainy 10 June 2024

Ny faminaniana momba ny mariky ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 dia milaza amintsika ny sehatra mivaivay sy ratsy indrindra misy ny ady ifanaovan'i Satana amin'Andriamanitra. Hatramin'ny nahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana dia fantatr'ilay fahavalo fa resy izy saingy tapa-kevitra izy ny hisarika olona maro araka izay azo atao hiaraka aminy amin'ny fianjerany. Ny famitahana no paikadiny voalohany amin'izany fitaomana izany. Rehefa tsy mandaitra ny famitahana dia mampiasa hery izy. Izy no ao ambadiky ny didy mampamono na iza na iza manda tsy hiankohoka amin'ny bibidia na tsy handray ny mariny.

Mazava loatra fa tsy zava-baovao ny fanenjehana ara-pivavahana. Efa nisy izany hatramin'ny namonoan'i Kaina an'i Abela noho ny nankatoavany ny baikon'Andriamanitra. Nolazain'i Jesôsy fa hitranga izany na dia eo amin'ny samy mpino aza.

Vakio ny Jao. 16:2; Mat. 10:22; 2 Tim. 3:12 ary ny 1 Pet. 4:12. Inona no niainan’ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao ary ahoana no hiharan'izany amin'ny fiangonan'i Kristy amin'ny andro farany?

Fahita matetika teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina ny fanenjehana. Niseho izany tao Rôma jentilisa saingy niavaka indrindra tamin'ny fanenjehana mahatsiravina ireo Kristianina mpino ny Baiboly izay nataon'ny Eglizy tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany. Ny mariky ny bibidia no masom-by farany amin'io rojon'ny helo io. Tahaka ireo fanenjehana tamin'ny lasa dia natao hanerena ny olona rehetra hanaraka foto-pinoana vitsivitsy sy rafi-pivavahana nahazo fankatoavana manokana izany.

Ambaran'ny faminaniana fa hanomboka amin'ny famaizana ara-ekonômika ny fanenjehana: tsy misy olona afaka mividy na mivarotra raha tsy manana ny marika. Na iza na iza manda tsy handray ny marika dia hiharan'ny didy fampamonoana amin'ny farany (Apôk . 13:15,17)

Ny devoly dia manomana sahady ny fandraisan'ireo mitonona ho Kristianina ny mariky ny bibidia rehefa ho avy ny fizahan-toetra farany izay hampirisihany azy ireo hanao marimaritra iraisana eo amin'ny fiainany. Rehefa hita fa manaraka ny bibidia amim-pitalanjonana ny tany manontolo (Apôk. 13:3) dia miova tampoka ny sehatra ka mifantoka amin'ny olon'Andriamanitra ny faminaniana. Maneho amintsika izany sary izany ny Apôk14:12. "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ." Miaina fiainam-pankatoavana feno fitiavana an'Andriamanitra ny vahoakany. Noho ny fahasoavany dia mitoetra tsara izy ireo na dia mihozongozona aza ny manodidina azy rehetra. Manaraka ny bibidia izao tontolo izao fa izy ireo kosa "manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany" - Apôk. 14:4. Amin'ny alalan'ny herin'i Kristy no andresen'izy ireo ny herin'ny helo ajoro manoloana azy.

Araka ny efa hitantsika tao amin'ny lesona 9 dia ny fiankohofana no fototry ny fifanandrinana eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Mampiasa famitahana ny bibidia ary rehefa mandamoka ireo dia ny herisetra sy ny fanerena indray no ataony.

Hafainganana toy ny ahoana no amelanao ny fiheverana ara-ekonomika hanimba ny fitandremana ny Sabata?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal