Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HAHARIHARY NY FILALAOVANA ANGATRA 

Daty
Sabotsy 01 June 2024

Sabata hariva 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 10:28; Mpitt. 9:5; Isa. 8:19, 20; Jao. 11:11-14, 21-25; 1 Tes. 4:16, 17; Apôk. 16:13, 14; Mat. 24:23-27; 2 Tes. 2:9-12. 

Tsianjery: "Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika."— 1 Tes. 4:16,17. 

Am-polo taona maro lasa izay no nisehoan'ny tantara marobe momba ny fanandramana manantomotra ny fahafatesana na ny "experiences de mort imminente (EMI)", olona iray maty kanefa velona indray no mitantara ny zavatra hitany sy reny tamin'ny fotoana "nahafatesany". An'arivony tamin'ireo fitantarana ireo no noraisina an-tsoratra sy nodinihina. Maneran-tany, ao anatin'izany ny tontolo kristianina, dia olona an-tapitrisa maro no mino fa ireo fitantarana ireo no porofo fa tsy tena maty ny maty. lo finoana fototry ny filalaovana angatra io no iray amin'ireo famitahana miely patrana sy mahomby indrindra ataon'i Satana.

Raha ny marina dia tany Edena no nahaterahan'ny filalaovana angatra, rehefa nandainga tamin'i Adama sy i Eva ny menarana nanao hoe: "tsy ho faty tsy akory hianareo" - Gen. 3:4. Naka endrika samihafa izany manerana ny tantara saingy ao hatrany ny hevitra manambara ny fitohizan'ny fiainana na dia aorian'ny fahafatesana aza. lo hevitra io koa no fototry ny iray amin'ireo fihetsehana ara-pivavahana mamitaka lehibe indrindra tamin'ny taonjato faha-19, miaraka amin'ny fanambaran'ireo mpirahavavy Fox, izay fantatra taty aoriana fa mpanao hosoka, amin'ny filazany fa afaka mandray valim-panontaniana avy amin'ny fanahin'ny maty izy ireo.

Amin'ny fifanandrinana farany eto an-tany dia hamitaka olona an-tapitrisa amin'ny alalan'ny fisehoan-javatra momba ny maty i Satana. Ny bokin'ny Apôkalipsy dia manambara fa iray amin'ireo fomba hiezahany hifehy izao tontolo izao izany.

Ny tanjon'ity lesona ity dia ny haneho fa ny fifandraisana manokana amin'i Kristy sy ny fifotorana mafy amin'ny fampianaran'ny Baiboly no hany fiarovana ho antsika amin'ireo famitahana ataon'i Satana amin'ny andro farany. Anisan'izany famitahana izany ny fampianarany momba ny fahafatesana, na inona na inona zavatra ezahin'ny maso sy ny sofina ary ny fontsika holazaina amintsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal