Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HERY HIJOROANA

Daty
Talata 23 April 2024

Ampitahao ny Asa. 5:28-32, Efes. 6:10-12 sy ny Apôk . 3:11. Inona ny fitsipika fototra hita ao amin'ireo andininy ireo?

Iray amin'ny toetra nampiavaka ny Vaudois sy ireo mpanavao fivavahana tsirairay ny fanekeny tanteraka an'Andriamanitra, ny fankatoavany ny fahefan'ny Soratra Masina ary ny fileferany eo anatrehan'ny fahambonian'i Kristy fa tsy ny an'ny papa. Feno ny tantaran'ny finoana sy ny faherezana avy tao amin'ny Testamenta Vaovao ny sain'izy ireo.

Niaraka niteny izao tamin'i Petera sy ireo apôstôly izy ireo: "Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona"-Asa. 5:29. Takatr'izy ireo ny fananarana nataon'i Paoly hoe: "mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany'- Efes. 6:10. Noraisin'izy ireo am-pahamatorana ny torohevitr'i Jesôsy manao hoe: "tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao" - Apôk . 3:11. Tsy nilefitra tamin'ireo fombafomban'ny Eglizy romanina ireo lehilahy sy vehivavinlny finoana fa nanana herim-po nijoro hiaro ireo fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo Vaudois no iray amin'ireo vondrona voalohany nahazo ny Baiboly tamin'ny fiteniny. Fitantarana mampihetsi-po iray ny amin'ny fandikan'izy ireo tanana ny Baiboly, nosoratan'i Jean Leger, vaudois iray mpanao dika mitovy ny Baiboly, no ahitana ireo fanazavana mivantana momba ny asany, ao anatin'izany ireo sary. Nandika miafina ireo Soratra Masina teny amin'ny fiaraha-monina nisy azy teny an-tendrombohitra avaratr'i Italia sy atsimon'i Frantsa ireo Vaudois. Hatramin'ny fahakeliny dia nandray torohevitra ny hanao tsianjery ampahany lava tamin'ny Soratra Masina ireo tanora. Tarika maro mpanao dika mitovy ny Baiboly no niara-niasa mafy nandika indray ny Baiboly. Maro tamin'ireo tanora Vaudois no nitety an'i Eorôpa mba hivarotra ka hizara mangingina amin'izany fomba izany ireo fahamarinan'ny Soratra Masina. Niditra nianatra tany amin'ny oniversite ny sasany ary rehefa nisy ny fotoana fanararaotra dia nizara andinin-tSoratra Masina tamin'ny mpiara-mianatra taminy izy ireo. Notarihin'ny Fanahy Masina izy ireo ka tamin'ny fotoana mety indrindra izay nahatsapany fa vonon-kandray ny mpikatsaka tso-po no nizarany ampahany notsongaina avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina sarobidy. Betsaka no nanefa tamin'ny ainy ny fahatokiany sy ny fanoloran-tenany. Na dia tsy nahatakatra mazava ny fampianaran'ny Baiboly manontolo aza ireo Vaudois dia nitahiry ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo nandritra ny taonjato maro tamin'ny fizarany izany tamin'ny hafa.

"Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro"- Ohab. 4:18. I Sôlômôna dia mampitaha ny lalana itondran'Andriamanitra ny zanany amin'ny masoandro izay mihamiposaka hatrany. Raha toa Andriamanitra manindry fotsiny fanapihan-jiro eny an-danitra ka mamiratra eo no ho eo amin'ny fahazavany rehetra ny masoandro dia ho jambenan'izany isika. Taorian'ny haizina izay nanenika izao tontolo izao nandritra ny taonjato maro dia nanangana lehilahy sy vehivavy izay nifikitra tamin'ny Teniny Andriamanitra; nanohy ny fikatsahana ny Tenin'Andriamanitra bebe kokoa izy ireo.

Ahoana no ahazoantsika mamiratra eo amin'ny fiarahamonina misy antsika ka hitarika ny fahazavan'i Kristy? Manao izany ve isika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal