Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hira ho amin'ny toe-javatra rehetra

Daty
Talata 02 January 2024

Vakio ny Sal. 3; Sal. 33:1-3 ary ny Sal. 109:6-15. Inona avy ireo lafiny samy hafa eo amin’ny fiainan'ny olombelona resahin'ireo Salamo ireo?

Mampisaintsaina ny fiarahamonin’ny mpino ny amin’ny fitambaran’ny fanandramana lalovan’ny olombelona ny Salamo, ary koa maneho fa azon’ny mpino atao ny midera an’Andriamanitra amin’ny vanim-potoana rehetra misy eo amin’ny fiainana. Hitantsika ao amin’ny Salamo ireto manaraka ireto:

  1. Hira izay manandratra an’Andriamanitra noho ny fiandrianany sy ny heriny eo amin’ny Famoronana, ny fanapahany, ny fitsarany ary ny fahatokiany.
  2. Salamo mitory fisaorana izay maneho fankasitrahana lalina noho ny fitahiana tsy tambo isaina avy amin'Andriamanitra.
  3. Fitarainana vokatry ny fo izay mangataka ny hanafahan’Andriamanitra azy amin’ny toe-java-tsarotra.
  4. Salamon’ny fahendrena izay manome tari-dalana azo ampiharina mba hananana fiainana araka ny tokony ho izy.
  5. Salamo miresaka ny amin’ny mpanjaka, izay manondro an’i Kristy llay Mpanjaka sy Mpanafaka ny vahoakan’Andriamanitra.
  6. Salamo momba ny tantara izay mampahatsiahy ny lasan’ny Isiraely sy manasongadina ny fahatokian'Andriamanitra sy ny tsy fahatokian’ny Isiraely, hampianarana ny taranaka ho avy mba tsy hamerina ny fahadisoan'ireo razany fa hitoky amin’Andriamanitra sy hitoetra ho mahatoky amin’ny Fanekeny.

Ahitana hery miavaka izay mahasarika ny sain’ny mpamaky ny tononkalo ao amin’ny Salamo. Na dia very amin’ny fandikan-teny aza ny fahaiza-manoratra sasany ao amin’ny tononkalo, dia mbola azontsika atao ny mankafy izany amin’ny fitenintsika manokana.

  1. Ny ‘parallélisme” (fimiran-jotra) dia fanakambanana teny na fehezanteny na eritreritra roa mitovy. Manampy amin’ny fahatakarana ny hevitr’ireo teny na fehezanteny roa mifandraika izany. Ohatra: ‘ Misaora an’i Jéhovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina." – Sal. 103:1. Ao amin’io “parallélisme” io, ny ‘fanahiko’dia ‘ izay rehetra ato anatiko’ ihany, izany hoe ny momba ilay olona manontolo.
  2. Ampiasaina ny sarin-teny mba hanintonana ny retsi-pandren'ny mpamaky (ohatra ny fiarovan’Andriamanitra dia atao hoe ‘ aloky ny elatrao’ (Sal. 17:8).
  3. Ny “mérisme” dia maneho ny zavatra iray manontolo amin’ny alalan’ny singa roa mifanohitra. Ny “Andro aman’aiina no itarainako eo anatrehanao” dia midika ho fitarainana tsy an-kijanona (Sal. 88:1 ).
  4. Ny tsilalaonteny dia fampiasana ny feon'ny teny mba hanaovana kilalaon-teny sy hanasongadinana hafatra ara-panahy iray. Ao amin’ny Sal. 96:4,5, ny teny hebreo elohim, "andriamanitra”, ary ’elilim, “sampy” dia tsilalaonteny izay mampita hafatra fa ireo andriamanitry ny firenena maro dia miseho ivelany ho ’elohim, “andriamanitra” kanefa ’elilim, “sampy” fotsiny ihany ireny.

Farany, ny teny hoe “selah” dia manamarika fiatoana fohy, na miantso ho amin’ny fiatoana sy fisaintsainana ny hafatra ao amin’ny fizarana manokana ao amin’ny Salamo na ho amin’ny fiovan’ny feon-kira (Sal. 61:4).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal