Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hira ho amin'ny toe-javatra rehetra

Daty
Talata 02 January 2024

Vakio ny Sal. 3; Sal. 33:1-3 ary ny Sal. 109:6-15. Inona avy ireo lafiny samy hafa eo amin’ny fiainan'ny olombelona resahin'ireo Salamo ireo?

Mampisaintsaina ny fiarahamonin’ny mpino ny amin’ny fitambaran’ny fanandramana lalovan’ny olombelona ny Salamo, ary koa maneho fa azon’ny mpino atao ny midera an’Andriamanitra amin’ny vanim-potoana rehetra misy eo amin’ny fiainana. Hitantsika ao amin’ny Salamo ireto manaraka ireto:

  1. Hira izay manandratra an’Andriamanitra noho ny fiandrianany sy ny heriny eo amin’ny Famoronana, ny fanapahany, ny fitsarany ary ny fahatokiany.
  2. Salamo mitory fisaorana izay maneho fankasitrahana lalina noho ny fitahiana tsy tambo isaina avy amin'Andriamanitra.
  3. Fitarainana vokatry ny fo izay mangataka ny hanafahan’Andriamanitra azy amin’ny toe-java-tsarotra.
  4. Salamon’ny fahendrena izay manome tari-dalana azo ampiharina mba hananana fiainana araka ny tokony ho izy.
  5. Salamo miresaka ny amin’ny mpanjaka, izay manondro an’i Kristy llay Mpanjaka sy Mpanafaka ny vahoakan’Andriamanitra.
  6. Salamo momba ny tantara izay mampahatsiahy ny lasan’ny Isiraely sy manasongadina ny fahatokian'Andriamanitra sy ny tsy fahatokian’ny Isiraely, hampianarana ny taranaka ho avy mba tsy hamerina ny fahadisoan'ireo razany fa hitoky amin’Andriamanitra sy hitoetra ho mahatoky amin’ny Fanekeny.

Ahitana hery miavaka izay mahasarika ny sain’ny mpamaky ny tononkalo ao amin’ny Salamo. Na dia very amin’ny fandikan-teny aza ny fahaiza-manoratra sasany ao amin’ny tononkalo, dia mbola azontsika atao ny mankafy izany amin’ny fitenintsika manokana.

  1. Ny ‘parallélisme” (fimiran-jotra) dia fanakambanana teny na fehezanteny na eritreritra roa mitovy. Manampy amin’ny fahatakarana ny hevitr’ireo teny na fehezanteny roa mifandraika izany. Ohatra: ‘ Misaora an’i Jéhovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina." – Sal. 103:1. Ao amin’io “parallélisme” io, ny ‘fanahiko’dia ‘ izay rehetra ato anatiko’ ihany, izany hoe ny momba ilay olona manontolo.
  2. Ampiasaina ny sarin-teny mba hanintonana ny retsi-pandren'ny mpamaky (ohatra ny fiarovan’Andriamanitra dia atao hoe ‘ aloky ny elatrao’ (Sal. 17:8).
  3. Ny “mérisme” dia maneho ny zavatra iray manontolo amin’ny alalan’ny singa roa mifanohitra. Ny “Andro aman’aiina no itarainako eo anatrehanao” dia midika ho fitarainana tsy an-kijanona (Sal. 88:1 ).
  4. Ny tsilalaonteny dia fampiasana ny feon'ny teny mba hanaovana kilalaon-teny sy hanasongadinana hafatra ara-panahy iray. Ao amin’ny Sal. 96:4,5, ny teny hebreo elohim, "andriamanitra”, ary ’elilim, “sampy” dia tsilalaonteny izay mampita hafatra fa ireo andriamanitry ny firenena maro dia miseho ivelany ho ’elohim, “andriamanitra” kanefa ’elilim, “sampy” fotsiny ihany ireny.

Farany, ny teny hoe “selah” dia manamarika fiatoana fohy, na miantso ho amin’ny fiatoana sy fisaintsainana ny hafatra ao amin’ny fizarana manokana ao amin’ny Salamo na ho amin’ny fiovan’ny feon-kira (Sal. 61:4).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal