Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I JESOSY, ILAY MPISOLOVAVA ANTSIKA EO AMIN'NY FITSARANA

Daty
Alakamisy 23 May 2024

Vakio ny Heb. 10:9-14. Inona ny fahasamihafana ambaran'io andininy io eo amin'ny asan'ny mpisorona tao amin’ny Fitoerana Masina teto an-tany sy ny asan'i Jesôsy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra?

Indray mandeha ihany no nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana amin'ny maha-fanatitra tsy misy kilema Azy, izay atolotra noho ny ota. Ny asa fisoronana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra no manamasina antsika. Ary satria niditra tao amin'ny efitra masina indrindra Izy ankehitriny dia mijoro ho mpisolovava antsika eo amin'ny fitsarana (jereo ny 1 Jao. 2:1). "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena"- Heb. 9:28. Noho ny sorona sy ny fanelanelanana nataony no namahana ny olan'ny fahotana. Tonga Izy ankehitriny ho an'ireo izay "tia ny fisehoany"(2 Tim. 4:8).

Vakio ny Heb. 6:19,20. Nahoana Izy no manasa antsika hanaraka Azy ary inona no hitantsika rehefa manaraka Azy?

"Zava-dehibe eo amin'ny drafitry ny fanavotana tahaka ny nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny fifonana ataony ho an'ny olombelona any amin'ny fitoerana masina any ambony. Tamin'ny fahafatesany no nanombohany ny asany ary taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty dia niakatra tany an-danitra Izy mba hanatontosa izany an-tsakany sy an-davany. Tsy maintsy miditra ao amin'ny efitra lamba amin'ny alalan'ny finoana isika, `tany no nidiran'i Jesôsy ho Mpialoha antsika.' Mitaratra ao ny fahazavan'ny hazo fijalian'i Kalvary. Ao no mety ahazoantsika fahalalana mazava kokoa ny amin'ireo zava-miafin'ny fanavotana. Lafo vidy dia lafo vidy tamin'ny lanitra ny nanatanterahana ny famonjena ny olona; mifanandrify amin'ny fitakiana lehibe indrindra ataon'ny lalàn’Andriamanitra voadika ny sorona natolotra. Nanokatra ny lalana mankeo amin'ny seza fiandrianan'ny Ray i Jesôsy, ary amin'ny alalan'ny fanalalanana ataony dia azo entina eo anatrehan'Andriamanitra ny faniriana marina avy amin'izay rehetra manatona Azy amin'ny finoana."- HM, t. 505.

Ny drafi-pamonjena dia drafitra feno hoentina mamaha ilay fifanandrinana lehibe sy hamonjena ity planeta ity amin'ny fifehezan'i Satana. Ny fiainan'i Jesôsy dia naneho ny fitiavan'Andriamanitra ny tontolo iray mila fanampiana sy ny tontolo iray hafa izay manara-maso izany. Maneho ny maha-ratsy ny fahotana ny fahafatesany ary koa mitondra famonjena ho an'ny olombelona rehetra. Manolotra ireo tombontsoan'ny fanavotana amin'izay rehetra manolo-tanana am-pinoana handray izany ny fanelanelanana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra.

Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny fanelanelanana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, ary nahoana no ilaina tokoa ho an'ny drafi-pamonjena ny fitsarana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal