Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VEHIVAVY NANKANY AMIN'NY FASANA

Daty
Talata 24 September 2024

"Niandry fatratra ny hahalasa ny oran'ny Sabata ireo vehivavy izay nijoro teo amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, raha vao nazava ratsy ny andro, dia Jasa nankany amin'ny fasana izy, nitondra ireo zava-manitra sarobidy hanosorana ny fa -tin'ny Mpamonjy. Tsy nieritreritra ny momba ny hitsanganany amin'ny maty izy. Efa nilentika ny masoandron'ny fanantenany, ary nidina tao am-pony ny alina. Raha teny an-dalana izy, dia namerina nitantara ny asam-pamindrampo sy ny teny fampaherezana nataon'i Kristy. Tsy tsaroany anefa ny teniny hoe: hahita anareo indray Aho' - Jao. 16:22." - IFM, t. 847.

 Vakio ny Mar. 16:1-8. Inona no nitranga? Ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo vehivavy ireo tamin'ny voalohany?

Vao manomboka ny filazantsara dia fantatry ny mpamaky fa i Jesôsy no Mesia. Kanefa ao amin'ny Iahatsoratra manontolo, ilay olona voalohany tsy demoniaka nanambara Azy ho Mesia dia i Petera, ao amin'ny Mar. 8:29. Ary efa any amin'ny antsasaky ny boky izany vao nambara! 

Manerana ny bokin'i Marka i Jesôsy dia nandrara ny olona tsy hilazalaza ny maha-Izy Azy sy ny momba ny fanasitranany azy ireo. Ao amin'ny Mar. 1:44 dia norarany tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny fahasitranany ilay boka. Ao amin'ny Mar. 5:43 dia niteny tamin'i Jairo sy ny vadiny Izy mba tsy hanambara amin'ny olona ny nananganana ny zanany vavy tamin'ny maty. Nisy vondron'oiona koa tao amin'ny Mar. 7:36 noraran'i Jesôsy tsy hilazalaza ny nanasitranany ilay Iehilahy moana sy marenina. Ary avy eo dia nandidy ny mpianatra Izy tsy hanambara amin'ny olona fa Izy no Mesia (Mar. 8:30, jereo koa ny Mar. 9:9). Tsy isalasalana fa ny tena antony nampanginan'i Jesôsy azy ireo tsy hiteny dia ny mba hananany fotoana hamitana ny asany araka ny fotoana notondroin'ny faminanian'i Daniela, ao amin'ny Dan. 9:24-27.

Izao koa, eto amin'ity tantara ity, na dia efa nilazana aza ireto vehivavy ireto fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy, tao anatin'ny tahony sy ny fahagagany dia tsy nitantara momba izay zava-nitranga izy ireo, farafaharatsiny tamin'ny voalohany.

Tsy naharitra ela anefa izany fanginany izany. Inona no hitantsika any amin'ny faran'ny bokin'i Marka? "Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy."- Mar. 16:20.

Araka izany, tsy mitombina intsony ny fanginana mikasika an'i Jesôsy sy ny maha-Izy Azy ary ny asany. Miafara amin'ny fitoriana teny "eny tontolo eny" ny boky.

Nahoana no tsy azontsika atao ny mangina tsy milaza ny amin’i Jesôsy sy ny asany? Anio, iza no azonao iresahana momba an'i Jesôsy sy ny drafi-panavotana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal