Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VOKATRA MANDOZA ATERAKY NY FILALAOVANA ANGATRA

Daty
Alahady 02 June 2024

Ny angano izay milaza fa ny fahafatesana dia tsy inona fa fidirana amin'ny dingam-piainana vaovao dia miorina amin'ny foto-kevitry ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Vetivety no nidiran'io hevitra jentilisa io tao amin'ny fiangonana izay nihataka tamin'ireo fototra ara-Baiboly mba hiezaka hahatonga ny finoany ho takatry ny tontolo Rômanina mivelatra: "Ny laha-kevitra momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy dia anisan'ireo fampianaran-diso izay nindramin'i Roma tamin'ny fanompoan-tsampy ka nampidiriny tamin'ny fivavahana Kristiana."— HM, t. 572.

"Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo." - Mat. 10:28. Inona no azon'io andininy tokana io lazaina antsika momba izay heverina ho  tsy fahafatesan’ny fanahy?

Nandrara ny olony tsy hiditra amin'izay mety ho fiantsoana fanahy ny Tompo, na inona na inona endrik'izany. Tsy azon'izy ireo ekena ny fisian'ny "manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty' eo amin'izy ireo (Deo. 18:11). Tsy maintsy toraham-bato ho faty ireo olona ireo (Lev. 20:27). Toa mafy ny fahitana izany fanasaziana izany saingy natao hiarovana ny Isiraely amin'ny fiankohofana amin'ny andriamani-tsy izy izany.

Asan'ny demonia ny filalaovana ody. Mamitaka ny olona ho amin'ny fanompoam-pivavahana sandoka izany ary manova ny fifandraisana marina amin'Andriamanitra, kanefa tsy hahafa-po na oviana na oviana ny filan'ny fo lalina indrindra. Ny filalaovana angatra no ivon'ny drafitr'i Satana hambaboana an'izao tontolo izao. Saingy amin'ny fahasoavan'i Jesôsy sy ny heriny no anafahany ireo izay babon'ny fatoran'ny ratsy mamehy azy.

Vakio ny Mpitt. 9:5; Joba 7:7-9; sy ny Isa. 8:19, 20. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fahafatesana sy ny filalaovana angatra?

Ny finoany fa ny maty dia mankany an-danitra avy hatrany amin'ny fotoana hahafatesany, na dia tsy araka ny Baiboly aza, tahaka ny fitandremana ny Alahady ihany, dia efa nisy hatry ny ela ary lalim-paka ka sarotra amin'ny olona tokoa ny hiala amin'izany. Mampiasa andininy vitsivitsy ny olona, izay mivoaka amin'ny tontolon-kevitra misy azy, mba hiezahana hanamarinana ny finoany. Kanefa ireo fampianaran-diso ireo dia tsy miaro azy amin'ny famitahana mety hataon'i Satana aminy, indrindra amin'ny fotoan-tsarotra farany.

Inona ny fanandramana niainanao momba ny fiezahana hanazava ny toetry ny maty tamin'ny Kristianina hafa? Inona, raha misy, no hitanao fa nandaitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal