Hodinihina mandritra ny herinandro : Efes. 3:1; 2 Kôr. 4:7-12; Asa 9:16; Filem. 15,16; Kôl. 4:9; Fil. 1:1-3; Kôl. 1:1,2.
Tsianjery : « Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. » – Fil. 4:4.
Sabata Hariva
Naiditra am-ponja noho ny fanendrikendrehana azy ny pasitora advantista iray, ary nigadra nandritra ny roa taona teo ho eo. Na very hevitra aza izy tamin'ny voalohany, dia tsapany fa ny fonja no saha misionera nomen'Andriamanitra azy. Rehefa fantatr’ireo voafonja namany fa pasitora izy, dia nangatahin’izy ireo hitoriteny. Izany tokoa no nataony, ary nizara bokim-pivavahana koa izy. Nanao batisa azy ireo aza izy, ary nitarika fanompoam-pivavahana fanasan’ny Tompo. “Indraindray" hoy izy, “sarotra ny nanao asa fanompoana tao am-ponja, saingy nisy fifaliana koa tao, indrindra rehefa mahazo valim-bavaka sy mahita ny fiainan’ny olona miova.”
Tany am-ponja no nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ny Filipianina sy ny Kolosianina (jereo ny Fil. 1:7, Kôl. 4:3). Tany Filipy mantsy, taorian’ny nanendrikendrehana an’i Paoly sy i Silasy, dia nobolokin’ny mpiambina fonja mafy tamin’ny boloky hazo ny tongony (Asa 16:24). “Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra” izy ireo; “ary nihaino azy ny mpifatotra.” – Asa. 16:25. Fantatr'izy ireo tsara tokoa izany hoe “mifaly mandrakariva” izany.
Hodinihintsika amin’ity herinandro ity ireo toe-javatra natrehin'i Paoly. Tanjona lehibe mihoatra noho ny zava-nitranga taminy no hitany, ary inoana fa azontsika atao ny mandray lesona avy aminy eo am-piatrehantsika ireo fitsapana tsy azo ihodivirana rahateo eo amin’ny fiainantsika.