Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy

Daty
Talata 30 December 2025

Nandritra ny dia misionera faharoa nataon'i Paoly, fotoana fohy taorian'ny nahatongavan'i Timoty ho mpiara-miasa aminy, dia noraran'ny Fanahy Masina tsy hanohy ny diany ho any Azia Minora izy ireo (Asa 16:6). Ary nony alina dia nahazo fahitana i Paoly fa nisy lehilahy iray niangavy azy hoe: "Mita mankaty Makedonia ka vonjeo izahay"-Asa 16:9. Avy hatrany dia nankany amin'ny seranan-tsambo akaiky indrindra an'i Makedonia izy ireo, ka niondrana an-tsambo niala tany Troasy, namakivaky ny Ranomasina «Egee» nankany Neapolia, teo amin'ny kaontinanta Eoropeanina. Saingy tsy nitory tao izy ireo fa nankany Filipy kosa, dia i Paoly, Silasy, Timoty, ary Lioka izay niaraka tamin'izy ireo tany Troasy (araka ny asehon'ny fampiasana ny hoe "izahay" ao amin'ny Asa 16:11).

Teo amin'ny asa fitoriana nataony dia nanana paikady hatrany i Paoly tao an-tsainy. "Tanana voalohany amin'izany zara-tanin'ny Makedonia izany sady zana-panjakana" i Filipy - Asa 16:12. Raha ny marina dia anisan'ny tanana nomen-kaja indrindra tao amin'ny Fanjakana Romanina izy, satria nomena ny sata «lus italicum» — izay ilazana ny toerana ambony indrindra azo omena ny tanana iray. Ny olom-pirenena tao dia nanana tombontsoa tahaka ny hoe any Italia no misy azy, ka tsy mandoa hetra amin'ny tany na fadin-tseranana, ary izay teraka tao amin'io tanana io dia tonga olom-pirenena romanina avy hatrany. Toerana manan-danja teo amin'ny lalana Via Egnatia koa izy, izay lalana lehibe mampifandray an'i Roma sy ny Atsinanana. Ny fametrahana Kristianina betsaka tao dia nahafahan'izy ireo nitondra ny filazantsara hatrany amin'ny tanana maro hafa manodidina, anisan'izany i Amfipolia, Apolonia, Tesalonika, ary Beria (jereo ny Asa. 17:1,10).

Mahaliana fa ny teny latinina no teny ofisialy nampiasaina tany Filipy tamin'ny taonjato voalohany, izay hita amin'ny habetsahan'ireo soratra amin'ny teny latinina ao. Niantso azy ireo tamin'ny anarana amin'ny teny latinina aza i Paoly ao amin'ny Fil. 4:15, Philippesioi, izay maneho fiaikena ny maha Romanina azy. Nefa, ny teny Grika no nampiasaina tany an-tsena sy tany amin'ireo tanana manodidina, ary izany no nentina nanapariahana ny filazantsara. Soritsoritan'i Lioka ny fomba niarahan'i Paoly sy ny namany tamin'ireo olona nivavaka teo amoron'ny ony, ary teo no niova fo i Lydia sy ny ankohonany (Asa 16:13-15). Amin'ny maha-vehivavy mpandraharaha azy ("mpivarotra lamba volomparasy"), dia izy no anisan'ny mpanohana ara-bola lehibe indrindra ny asan'i Paoly tao Filipy. Ny fotoana nijanonan'i Paoly sy i Silasy tao am-ponja tao Filipy dia nahatonga ny fiovam-pon'ny ankohonany iray manontolo hafa dia ny an'ilay mpiandry tranomaizina.

Fantatry ny Fanahy Masina fa i Filipy no toerana mety indrindra hanombohana ny asa fitoriana mba hielezan'ny filazantsara eran'i Eoropa, na dia hisy fanenjehana koa aza. Na ratsy toy inona aza ny fanenjehana, amin'ny toe-javatra sasany dia izany no ahazoana mampita ny filazantsara amin'ny olona izay mety tsy hahafantatra ny filazantsara velively amin'ny fomba hafa. Vakio ny Asa. 9:16.

Ahoana no anampian'io andininy io antsika hahatakatra ny sasany amin'ireo zava-tsarotra natrehin'i Paoly? Ahoana kosa no mety hanampian'izany antsika hahatakatra ny sasany amin'ireo fahoriana manjo antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal