Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.

Daty
Alahady 28 December 2025

Antsoina hoe Epistilin'ny Fifatorana ny Filipiana sy ny Kolosiana satria tao am-ponja no nanoratan'i Paoly azy (toy izany koa ny Efesiana sy ny Filemona). Araka ny fahitan'ny ankamaroan'ny mpandinika Baiboly dia nosoratan'i Paoly tany Roma ireo, tamin'ny taona 60-62 TrK tany ho any (jereo ny Asa 28:16).

Vakio ny Lio. 3:1 sy ny Filem. 1. Inona no maha zava-dehihe ny fomba anoritsoritan'i Paoly ny maha mpifatotra azy?

Nanokana ny fiainany ho an'ny fanompoana an'i Jesôsy Kristy i Paoly. Koa raha anisan'izany fanompoana izany ny maha-mpifatotra, dia vonona izy. "Iraka migadra" no ilazan'i Paoly ny tenany (Efes. 6:20). Nanao dia misionera maro izy, nanangana fiangonana maro sy nanofana mpiasa ho an'ny Tompo. Mety ho nanontany tena izy hoe: "Nahoana aho no eto kanefa ho nahavita zavatra betsaka kokoa aho raha tsy nisy ireto gadra ireto?" Mbola nogadraina ihany i Paoly taty aoriana, rehefa nanoratra ny epistily faharoa ho an'i Timoty. lzany hoe, boky dimy farafahakeliny, ao amin'ny Testamenta Vaovao, no nosoratany tany am-ponja.

Tsy misy amin'ireo epistily nosoratana tany am-ponja ireo nilazan'i Paoly mazava ny toerana namatorana azy; noho izany, misy milaza fa tany Efesosy izy na tany Kaisaria. Saingy tsy misy porofo ara-Baiboly velively milaza fa gadra tany Efesosy i Paoly. Ny tany Kaisaria no azo inoana kokoa, saingy tsy hita mazava fa notandindomin-doza ny ainy tao amin'io tanàna io. Tamin'ny fotoana nanoratany ny Fifipiana kosa dia hita fa nahina tokoa ny ain'i Paoly (jereo ny Fil. 1:20; Fil. 2:17).

Misy zavatra hafa ao amin'io epistily io, ahazoana mahafantatra ny toerana nisy an'i Paoly nandritra ny fotoana naha-tao am-ponja azy. Voalohany, ny fisian'ny pretoria. Mety manondro ny fonenana ofisialin'ny governora iray izany, tahaka ilay tany Jerosalema, izay namotopotoran'i Pilato an'i Jesôsy (Mat. 27:27; Jao. 18:33), na koa tany Kaisaria, izay nampidirana an'i Paoly am-ponja (Asa. 23:35). Kanefa mazava fa nampiasa io teny io i Paoly, tsy ho fanondroana toerana, fa olona kosa. Hoy izy: "Fantatry ny mpiambina pretoriana rehetra" ny filazantsara - Fil. 1:13. Tany Roma, ireo olona ireo dia miaramila manokana miisa hatrany amin'ny 14000, izay niaro ny amperora sy niambina ny gadra tao aminy.

Faharoa, nanao vefoma ireo mpino tao amin'ny "ankohonan'i Kaisara" koa i Paoly (Fil. 4:22). Midika izany fa nogadraina tao Roma i Paoly ary nifandray tamin'ireo izay nanompo ny ankohonan'ny amperora.

Ahoana no hianarantsika manao ny tsara indrindra hatrany na inona na inona toe-java-tsarotra atrehintsika? Nahoana no tsy mora mandrakariva izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal