Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 02 January 2026

"Efa nifidy anao ho amin'ny famonjena Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny fahamarinana. Koa miorena tsara. (...) Raha manompo an'Andriamanitra amim-pahatokiana ianao, dia ho tojo fitsaratsarana sy fanoherana; kanefa aza dia tezitra raha mijaly tsy ara-drariny ianao. Aza mamaly faty. Hazony tsara ny fahamendrehanao ao amin'i Jesôsy Kristy. Afantohy any an-danitra ny fijerinao. Avelao ny hafa hiteny izay tiany holazaina, sy hanao izay tiany hatao; fa ianao kosa, aoka halemy fanahy sy hanetry tena tahaka an’i Kristy hatrany. Manana tanjona mafy orina, fo madio, ka tanteraho amin'ny herinao sy ny tanjakao rehetra ny asanao, sady mamikitra amin'ny sandrin'Andriamanitra. Mety tsy ho fantatrao mihitsy ny tena fahamboniana marin’ny asanao. Tsy hainao refesina ny tombambidinao raha tsy amin'ny alalan'ilay aina nafoy hamonjena anao. (...) 

" Ho an'ny fanahy rehetra izay mitombo ao amin'i Kristy, dia hisy ny ady sy ny filofosana mafy; vonona hanohitra ny lalan'ny fandrosoana mantsy ny herin'ny maizina. Saingy rehefa mitodika any amin'ny hazo fijalian'i Kristy isika mba hahazo fahasoavana, dia tsy ho resy. Izao no teny fikasana nomen'ny Mpanavotra: 'Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao."' — The Youth's Instructor, 9 Novambra 1899. 

FANONTANIANA hifonakolozan-kevitra 
1. Naiditra an-tranomaizina imbetsaka i Paoly, ary tsy ara-drariny avokoa izany. Manao ahoana ny fihetsikao rehefa tsy ara-drariny ny fitondrana anao? Inona avy ireo teny fikasana ao amin'ny Baiboly azonao raisina amin'ny fotoana toy izany? 

2. Hoy i Tertullian, mpitondra fivavahana tamin'ny andro fahiny, momba ny fanenjehana ny Kristianina: "Arakaraka ny anorotoroanareo anay no hitomboan’ny isanay; voa afafy ny ran'ny Kristiana." — Alexander Roberts and James Donaldson, eds., Ante-Nicene Fathers (Peabody, MA: Hendrickson Publishers, Inc., 1999), b. 3, t. 55. Kanefa koa, tany amin'ny toerana sy fotoana sasany, ny fanenjehana dia nanakantsakana tokoa ny asan’ny fiangonana. lnona no azontsika atao ho fanohanana ireo izay iharan'ny fanenjehana noho ny finoany?

3. Saintsaino ny tsianjery ho an'ity herinandro ity sy ny fifandraisany amin'ny fahoriana natrehin'i Paoly. "Mifalia mandrakariva"? lnona no hevitr'izany? Amin'ny fomba ahoana no tokony hahavitantsika izany? Marary, ohatra, ny olon-tianao na maty. Na very asa ianao, na manaintaina aoka izany ny vatanao. Angamba izao no fanontaniana tsara apetraka mba hahazoana mahatakatra izany: "Mifalia mandrakariva amin'ny inona?" izany hoe, na inona na inona toe-javatra misy antsika, inona no azontsika ifaliana mandrakariva? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal