Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 04 July 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Mosesy", PM, ed. 1885, tt. 239-248, izay hitondra fanazavana manan-danja eo am-pandinihanao ny ampahan-tSoratra Masina amin'ity herinandro ity.

Izao no voalazan'ny Baiboly: "Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy." - Eks. 1:17. Manazava tsara ny fahatokian'ireo mpampivelona ireo, sy ny fanantenana momba ny Mesia, i Ellen G. White. "Nomena baiko ny mpampivelona Hebreo mba hamono ny zazalahy teraka rehetra. Tsy iza no nanome izany baiko feno habibiana izany, fa Satana izay nahafantatra ny fampanantenana ny hiavian'ny Mpanafaka ka nihevitra ny hanafoana ny planan'Andriamanitra. Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka nandà tsy hanatanteraka izany didy tsy mifaditrovana izany, dia nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona sady nambininy." - PM, ed. 1985, t. 240.

Izao no vaovao mahafaly amin'izany rehetra izany: na eo aza ny drafitr'i Satana dia nandresy Andriamanitra, ary nampiasa olona mahatoky Izy mba hampandamoka ny planin'ny fahavalo. Ao anatin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, izay nantsoin'i Jesosy hoe "mpanapaka" na "andrianan'izao tontolo izao" (Efes. 2:2; Jao. 14:30). Nalain'i Satana an-keriny tamin'i Adama io toerana io, saingy nandresy azy i Jesôsy Kristy tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 4:1-11, Jao. 19:30, Heb. 2:14). Na mbola velona sy miasa aza i Satana, araka ny asehon'ny fikasany hamono ireo zaza ireo, dia efa azo antoka kosa ny fandringanana azy (Jao. 12:31; Jao. 16:11; Apôk. 20:9,10,14). Azo resena amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra ireo zava-tsarotra eo amin'ny fiainana (Fil. 4:13); izany no vaovao mahafaly. lo fahasoavana io no hany fanantenantsika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nahoana no navelan'Andriamanitra honina tany Egypta sy hampahorina ny Hebreo? Nahoana no niandry ela Andriamanitra vao niditra an-tsehatra ho azy ireo? Tsarovy koa anefa fa tsy nijaly mihoatra ny halavan'ny androm-piainany ny olona tsirairay, izany hoe, marina fa nijaly nandritra ny fotoana maharitra ny firenena, fa ny olona tsirairay kosa dia tsy nizaka afa-tsy izay fahoriana natrehiny teo amin'ny fiainany manokana ihany. Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana izany fanavahana izany mba hahatakarana ny momba ny fahorian'ny olombelona ankapobeny?

2. Saintsaino misimisy kokoa ny mikasika ny fomba nahafahan' Andriamanitra nampiasa ny fihetsika feno herisetra nataon'i Mosesy tamin'ny namonoany ilay Egyptianina. Andeha hatao hoe tsy nanao izany izy; midika ve izany fa tsy ho tafavoaka ny tany Egypta mihitsy ny Hebreo noho izany? Hazavao ny hevitrao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal