Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.

Daty
Talata 01 July 2025

IREO MPAMPIVELONA HEBREO

Saro-takarina ny bokin'ny Eksodosy raha tsy raisina ho fototra ireo fampianarana ao amin'ny Genesisy. Nanorim-ponenana tao Egypta ny Jiosy, ary taorian'ny fotoana voafaritra nahitana fanambinana sy fiadanana, dia nandevozina izy ireo.

Saingy tsy nilaozan’Andriamanitra tao anatin'ny olany ny vahoakany, na dia toy izany aza indraindray. Azo antoka fa maro tamin'ny vahoaka Hebreo no namoy fo noho ny fahoriany. Kanefa tamin'ny andro mahory indrindra no nahatongavany sy namonjeny azy tamin'ny sandriny mahery. Mampahery ny mpanara-dia Azy ny Tompontsika; hoy Izy: "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao." - Sal. 50:15.

Vakio ny Eks. 1:9-21. Inona ny anjara asa lehibe nataon'ireo mpampivelona mahatoky, ary nahoana izy ireo no tsaroana ao amin'ny tantara?

Tsy misy anaran'ny Farao voalaza ao amin'ny bokin'ny Eksodosy. Ny anaram-boninahitra "Farao" ihany no iantsoana azy, izay midika hoe "mpanjaka". Nino ny Egyptianina fa andriamanitra eto an-tany ny Farao, zanak'ilay andriamanitra antsoina hoe "Ra" (na Osiris na Horus). "Ra" no noheverina ho andriamanitra Egyptianina lehibe indrindra, dia andriamanitra masoandro mihitsy.

Na nahery toy inona aza anefa io "andriamanitra" io dia tsy afaka nanery ny mpampivelona hanao zavatra mifanohitra amin'ny fikasany. Ary tsy tahaka ny Farao tsy manana anarana, ireo mpampivelona roa kosa dia voalaza ny anarany, Sifra sy Poa (Eks. 1:15); nomen-kaja lehibe izy ireo satria natahotra an'i Jehôvah . Tsy nisy fiantraikany tamin'izy ireo ny didy ratsin'i Farao satria nanaja an'Andriamanitra mihoatra noho ny didin'ny mpitondra teto an-tany izy ireo (jereo koa ny Asa. 5:29). Koa nitahy azy ireo Andriamanitra tamin'ny nanomezany azy taranaka maro. Endrey izany fijoroana ho mahatoky! Na dia kely aza ny fahalalan'ireo vehivavy ireo momba ny teolojia, dia fantany ny rariny sy ny tsy rariny, ary nifidy ny rariny izy.

Hitan'i Farao fa tsy nahomby ny tetiny, koa nandidy ny Egyptianina izy hamono ny zazalahy Hebreo teraka rehetra. Natao hatsipin'izy ireo ireo tao amin'ny Reniranon'i Neily ireo zazalahy ireo, angamba ho fanatitra ho an'i Hapi, andriamanitry ny Neily, sy andriamanitry ny fahavokarana. (lo no fotoana voalohany voarakitra an-tsoratra namonoana ny Jiosy noho ny maha-Jiosy azy ireo fotsiny.) Ny tanjon'ny didy famonoana dia ny hampanaiky ny Hebreo, ny handringana ny taranaka lahy rehetra, ary ny hampiditra ny vehivavy ao amin'ny firenena Egyptianina, ka hamarana hatreo ny loza izay noheverin'ny Farao fa nentin'ny Hebreo tao amin'ny fireneny.

Tsy vitan'ny nahafantatra ny tokony hatao fotsiny ireo mpampivelona, fa natao koa izany. Inona ny hafatra mazava ho antsika eto?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal