Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.

Daty
Talata 01 July 2025

IREO MPAMPIVELONA HEBREO

Saro-takarina ny bokin'ny Eksodosy raha tsy raisina ho fototra ireo fampianarana ao amin'ny Genesisy. Nanorim-ponenana tao Egypta ny Jiosy, ary taorian'ny fotoana voafaritra nahitana fanambinana sy fiadanana, dia nandevozina izy ireo.

Saingy tsy nilaozan’Andriamanitra tao anatin'ny olany ny vahoakany, na dia toy izany aza indraindray. Azo antoka fa maro tamin'ny vahoaka Hebreo no namoy fo noho ny fahoriany. Kanefa tamin'ny andro mahory indrindra no nahatongavany sy namonjeny azy tamin'ny sandriny mahery. Mampahery ny mpanara-dia Azy ny Tompontsika; hoy Izy: "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao." - Sal. 50:15.

Vakio ny Eks. 1:9-21. Inona ny anjara asa lehibe nataon'ireo mpampivelona mahatoky, ary nahoana izy ireo no tsaroana ao amin'ny tantara?

Tsy misy anaran'ny Farao voalaza ao amin'ny bokin'ny Eksodosy. Ny anaram-boninahitra "Farao" ihany no iantsoana azy, izay midika hoe "mpanjaka". Nino ny Egyptianina fa andriamanitra eto an-tany ny Farao, zanak'ilay andriamanitra antsoina hoe "Ra" (na Osiris na Horus). "Ra" no noheverina ho andriamanitra Egyptianina lehibe indrindra, dia andriamanitra masoandro mihitsy.

Na nahery toy inona aza anefa io "andriamanitra" io dia tsy afaka nanery ny mpampivelona hanao zavatra mifanohitra amin'ny fikasany. Ary tsy tahaka ny Farao tsy manana anarana, ireo mpampivelona roa kosa dia voalaza ny anarany, Sifra sy Poa (Eks. 1:15); nomen-kaja lehibe izy ireo satria natahotra an'i Jehôvah . Tsy nisy fiantraikany tamin'izy ireo ny didy ratsin'i Farao satria nanaja an'Andriamanitra mihoatra noho ny didin'ny mpitondra teto an-tany izy ireo (jereo koa ny Asa. 5:29). Koa nitahy azy ireo Andriamanitra tamin'ny nanomezany azy taranaka maro. Endrey izany fijoroana ho mahatoky! Na dia kely aza ny fahalalan'ireo vehivavy ireo momba ny teolojia, dia fantany ny rariny sy ny tsy rariny, ary nifidy ny rariny izy.

Hitan'i Farao fa tsy nahomby ny tetiny, koa nandidy ny Egyptianina izy hamono ny zazalahy Hebreo teraka rehetra. Natao hatsipin'izy ireo ireo tao amin'ny Reniranon'i Neily ireo zazalahy ireo, angamba ho fanatitra ho an'i Hapi, andriamanitry ny Neily, sy andriamanitry ny fahavokarana. (lo no fotoana voalohany voarakitra an-tsoratra namonoana ny Jiosy noho ny maha-Jiosy azy ireo fotsiny.) Ny tanjon'ny didy famonoana dia ny hampanaiky ny Hebreo, ny handringana ny taranaka lahy rehetra, ary ny hampiditra ny vehivavy ao amin'ny firenena Egyptianina, ka hamarana hatreo ny loza izay noheverin'ny Farao fa nentin'ny Hebreo tao amin'ny fireneny.

Tsy vitan'ny nahafantatra ny tokony hatao fotsiny ireo mpampivelona, fa natao koa izany. Inona ny hafatra mazava ho antsika eto?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal