Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

May 2025

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny mpanjaka voalohany tao Isiraely", PM toko faha-59.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.

HO AMIN'IZAO ANDRO IZAO MIHITSY

Fironana mampalahelo ao amin'ireo Kristianina sasany ny mifantoka amin'ireo teboka sarotra ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly. Hitantsika fa mihakaiky ny fotoan'ny fizahan-toetra, ary mety hiorina amin'ny fahatahorana ny fandinihana ny faminaniana hany ka ny zava-tsarotra no ifantohana fa tsy ny fiafaran'ny tantara izay nampanantenain'Andriamanitra.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.

I HAMANA SY I SATANA

Mahita an'i Hamana, lehilahy mangetaheta toeram-boninahitra sy fahefana isika, ao amin'ny tantaran'i Estera. Nomen-kaja lehibe ambonin'ireo andriana rehetra izy tao amin'ny fanjakana (Est. 3:1).

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.

BOAZA, AMIN'NY MAНА-MPANAVOTRA AZY

Nanjary tia an'i Rota fatratra i Boaza ary naniry ny hampakatra azy, saingy nisy sakana iray tsy azo natao tsinontsinona: nisy havana akaiky kokoa izay nanan-jo tamin-dravehivavy sy ny tany. Raha raisintsika ho tandindona maneho an'i Kristy i Boaza, dia manampy antsika hahatakatra ny ampahany manan-danja amin'ny ady lehibe ifanandrinan Andriamanitra sy i Satana izany toe-javatra izany. Tia antsika i Kristy, saingy misy "havana akaiky" izay milaza fa azy isika: i Satana.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.

I ROTA SY I BOAZA

Nangataka ny hanovan'ny olona ny fiantsoana azy ho "Mara" i Naomy noho ny zava-mangidy nitranga teo amin'ny fiainany (jereo ny Rota 1:20). Nosimban'ny fahotana tamin'ny fomba tsy hay arenina ny fifandraisantsika amin'ilay Mpamorona antsika; nandentika antsika ao anatin'ny fahantrana ara-panahy izany.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"

MOSARY TANY AMIN'NY "TRANON'NY MOFO"

Matetika ireo mpitsikera ny finoana kristianina no manondro ny toe-javatra feno herisetra eo amin'ny fiainana eto amin'ity tontolo ity ho porofo fa: (a) tsy misy Andriamanitra, na koa (b) tsy manan-kery hoenti-misalovana Izy rehefa mitranga ny toe-javatra ratsy, na (d) tsy rototra Izy rehefa azom-pahoriana isika. Maro amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly anefa no mitondra porofo marobe izay maneho fa tsy misy marina ireo fiheverana ireo.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Rota 1:1-5; Rota 2:5-20; Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Est. 3:1-14; Apôk. 12:14-17.

Tsianjery:

"Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina." - Est. 5:2

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.

Tsy afaka niaro ny tenany na ny vahoakany tamin'ny fiampangan'i Satana ilay mpisoronabe. Tsy afaka nihambo an'Isiraely ho tsy manan-tsiny koa izy. Nitafy lamba maloto, izay tandindon'ny fahotan'ny vahoaka iadidiany i Josoa, Ilay nisolo tena azy, ary nitsangana teo anoloan'ny anjely. Niaiky ny fahotany rehetra izy raha nanambara ny fibebahana sy ny fanetren-tena nataon'ireo niavian'ny ota. Ary nanankina izany tamin'llay Mpanavotra namela heloka izy sady nangataka tamim-pinoana ny teny fikasan'Andriamanitra. (...)

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.

maso momba izay takona amin'ny masontsika ny fanoritsoritana ny fitsarana hita ao amin'ny Dan. 7 fotoana mahatalanjona ahafahantsika mahita ny fomba amahan'Andriamanitra ny olan'ny ota, sady amonjeny ireo izay maniry hifandray Aminy ao anatin'ny fanekena.

Vakio ny fanoritsoritana ny fitsarana famotopotorana ao amin'ny Dan. 7:9,10,13,14,22,26,27. Inona no tena ifantohan'ny fitsarana? Inona ny didim-pitsarana navoaka taorian'izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny drafi-panavotana?

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ilay Mpitsara ny tany rehetra.

Nisy tantara mahaliana nitranga teo an-kazo terebintan'i Mamre talohan'ny nandravana an'i Sôdôma. Niseho tamin'i Abrahama Andriamanitra, niaraka tamin'ny anjely roa. Rehefa nahita azy ireo i Abrahama, dia nanasa ireto mpamangy avy any an-danitra mba hisakafo, ary teo no nampanantenan Andriamanitra an'i Abrahama sy i Saraha fa hanan-janaka izy ireo, ka ho tonga hatramin'ny Mesia ny taranany. Taranak'i Abrahama tokoa i Jesôsy (ampitahao amin'ny Gal. 3:16). Avy eo dia nitodika tany amin'ireo tanána ratsy fanahy teny amin'ny tany lemaka ny resaka.

Pagination

  • 1
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal