Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ny fanambaran’i Jesôsy momba ny tenany

Daty
Alakamisy 03 October 2024

Fotoana nety indrindra nahafahan'i Jaona nanasongadina ny maha-Izy an'i Jesôsy ny fahagagana tao amin'ny farihin'i Betesda. Andininy miisa sivy no nentiny nilazalaza momba io fahagagana io ary andininy 40 teo ho eo kosa (jereo eo ambany) no nentiny nilazalaza ny momba Ilay nanatanteraka izany fahagagana izany.

Vakio ny Jao. 5:16-18. Nahoana i Jesôsy no nenjehina noho ny zavatra nataony tamin'ny Sabata?

Mety ho hafahafa ny Jao. 5:18 satria toy ny milaza izany fa nandika ny Sabata i Jesôsy. Rehefa dinihina akaiky anefa ny Jao. 5:16-18 dia hitantsika ny fanambaran'i Jesôsy fa ny "asa" nataony tamin'ny Sabata dia nifanindran-dalana tamin'ny fifandraisany amin'ny Rainy. Tsy mampitsahatra ny famelomany an'izao tontolo rehetra izao Andriamanitra rehefa Sabata. Araka izany, ny fihetsika nataon'i Jesôsy tamin'ny andro Sabata dia anisan'n'y fanehoany ny maha-Andriamanitra Azy. Nanenjika Azy ireo mpitondra fivavahana noho ny amin'izay noheverin'izy ireo ho fandikana ny Sabata sy ny fanambarany ny fitoviany amin'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 5:19-47. Inona no nambaran'i Jesôsy mba hanampiana ireo mpitarika hahita Azy araka izay tena toeny tokoa, fanambarana momba ny Tenany izay niseho tamin'ny fomba miezinezina tamin'ny alalan'ny fahagagana izay vao avy nataony?

Dingana telo no nentin'i Jesôsy niaro ny asa nataony :     
Voalohany, nohazavainy ny fifandraisany ety ananany amin'ny Ray (Jao. 5:19-30). Ambaran'i Jesôsy fa miasa amim-pirindrana amin'ny Rainy Izy; nolazainy mihitsy aza fa manana fahefana hitsara sy hanangana ny maty Izy (Jao. 5:25-30).

Faharoa, niantso "vavolombelona" efatra nifandimby izay manambara Azy i Jesôsy taorian'ny fiarovan-tenany: (1) i Jaona Mpanao batisa (Jao. 5:31-35); (2) ny fahagagana nataony (Jesôsy) (Jao. 5:36); (3) Andriamanitra Ray (Jao. 5:37,38); ary (4) ny Soratra Masina (Jao. 5:39). Samy manao fanambarana mikasika an'i Jesôsy ireo "vavolombelona" ireo.

Farany, ahariharin'i Jesôsy Manoloana ireo mpiampanga Azy ny fahamelohan'izy ireo, ao amin'ny Jao. 5:40-47, izay anehoany ny fahasamihafana eo amin'ny Asany sy ny fitadiavan'izy ireo ny tombontsoany manokana. Nambaran'i Jesôsy fa i Mosesy izay nitokian'izy ireo no hanameloka azy (Jao. 5:45-47).

Ahoana no hitandremantsika mba tsy ho lavo ao anatin'ny fandriky ny finoana an'Andriamanitra, na ny fananana ny foto-pampianarana marina mihitsy aza, kanefa tsy manana fileferana tanteraka amin'i Kristy? Ento ao amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal