Vakio ny Asa. 17:16-34. Taiza i Paoly talohan'ny nandehanany tany Korinto, ary inona no nataony tany?
Manoritsoritra ny asa fitorian'i Paoly tamin'ny Atenianina mialoha ny nandehanany tany Korinto ny Asa. 17:16-34. Hita fa tsy fikasany ny hitsidika an'i Atena tamin'io fotoana io, fa ireo namany nanampy azy no nitondra azy tao noho ny fanenjehana niseho tao Beria (Asa. 17:13-15).
Niverina tany Beria ireo namana niaraka tamin'i Paoly nankany Atena, nitondra hafatra ho an'i Timoty sy Silasy mba hankanesan'izy ireo faingana any amin'i Paoly (Asa. 17:15). Momba izay nataon'i Paoly teo am-piandrasana azy ireo no resahina ao amin'ny Asa. 17:16-34. Niresaka momba an'i Jesôsy izy tao amin'ny synagoga, teo an-kianja, ary tao Areopago. Tsy hainy mihitsy ny tsy hiresaka momba an'i Jesôsy ary nohararaotiny ny fotoana rehetra nanaovana izany.
Vakio ny Asa. 18:1-11. Inona no nataon'i Paoly rehefa tonga tany Korinto izy, sy nandritra ny fotoana rehetra nitoerany tao amin'izany tanana Izany?
Nankany Korinto i Paoly tamin'ny diany misionera faharoa. Herintaona sy tapany no nitoeran'i Paoly tao araka ny lazain'i Lioka.
Tao amin'ny synagoga no nanombohan'i Paoly ny asa misionerany (Asa. 18:4-6). Fanaony izany, araka ny voalazan'ny Asa. 17:1,2. Narahiny ilay paikady hoe "amin'ny Jiosy aloha" (Rôm. 1:16, Asa. 13:46), araka ny nandidian'i Jesôsy ireo après oliny (jereo ny Asa. 1:8).
Nony tafaraka taminy tany Korinto ihany i Silasy sy Timoty, dia "voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesôsy no Kristy"- Asa. 18:5. Ny "nampianatra ny tenin'Andriamanitra" no nataon'i Paoly anton-draharaha nandritra ny nitoerany tao Korinto (Asa. 18:11). Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany koa no nanambarany ireo teny malaza hoe: "Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo [Korintianina] aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" - 1 Kör. 2:2.
Inona no azontsika ianarana avy amin'ny asa misionera nataon'l Paoly tany Atena sy Korinto momba ny fanararaotana ny fotoana rehetra hitoriana ny filazantsara? Eritrereto ireo fotoana ahafahanao mizara an'i Jesôsy amin'ny hafa sy ny fomba hampiasana Izany.