Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Manompoa!

Daty
Alatsinainy 29 September 2025

MANOMPOA!

Vakio ny Jos. 1. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny firafitry ny bokin'i Josoa manomboka eo amin'ny toko voalahany indrindra?

Ny toko voalohany ao amin'ny bokin'i Josoa no fampidirana ho an’ilay boky iray manontolo. Ahitana lahateny efatra izany, izay mifandraika amin’ireo fizarana lehibe efatra ao amin'io boky io ny fitana ny ony (Jos 1. 2-9), ny fakana ny tany (Jos 1: 10.11): ny fizarana ny tany (Jos. 1:12-15) ary ny fanompoana amin'ny fankatoavana ny lalàna (Jos 1.16-18).

Azo heverina ho drafitr’Andriamanitra mitohitohy ny bokin'i Josoa. Ao amin'ny dingana tsira iray amin'izany, dia manankina andraikitra manokana amin'i Josoa Andriamanitra, asa izay misy ifandraisany amin'ny fakana ny tany Kanana izany, ary ny tsirairay aminireny dia resahin'ny boky isaky ny tanteraka soamantsara.

Ho tanteraka, amin'ny farany, ireo teny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny fonenana ao amin'ny tany Kanana. Manomboka eo indray, dia manjary eo am-pelatanan'ny Isiraelita ny andraikitra amin'ny fihazonana ny tany, nefa tsy tanteraka izany raha tsy amin'ny finoana tena izy ihany sy ny fankatoavana izay ateraky ny finoana toy izany.

Ny drafitr’Andriamanitra, dia aseho amin'ny alalan'ny matoanteny telo - "miampita" "maka", ary "mizara", ary ny fankatoavan'ny vahoaka no valiny mety indrindra asetry izany, fankatoavana avy amin'ilay drafitra farany izany: ny fanompoana.

Averina indray fa ahitana fizarana lehibe 4 ao amin'ny bokin'i Josoa, ka ny fizarana tsirairay dia ahitana hevitra manokana aseho amin'ny alalan'ny fisongadinan'ny teny hebreo anankiray:

(1) Miampita (Jos. 1:1-5:12)
(2) Maka (Jos. 5:13-12:24)
(3) Mizara (Jos. 13:1-21:45)
(4) Fanompoana (Jos. 22:1-24:33)

Araka izany, ny firafitr'ilay boky dia efa ahitana taratra ny hafatra manan-danja voarakitra ao: tsy tanteraka amin'izao fotsiny ny drafitra napetrak'Andriamanitra fa mitaky valinteny feno fahatokiana avy amin'ny vahoakany. Izany hoe, na dia eo aza ny zavatra rehetra efa nataon'Andriamanitra ho antsika ao anatin'izany izay nataony ho antsika noho isika tsy mahay manao izany samirery dia asaina manao izay azontsika atao isika, asaina mankatò ny baikon'Andriamanitra. Tahaka izany mandrakariva no niseho teo amin'ny tantara masina rehetra, ary mbola mitoetra izany ankehitriny. Maneho izany hevitra izany koa, ohatra, ny filazalazana momba ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ao amin'ny Apôk. 14:12: finoana ny zavatra efa nataon'Andriamanitra ho antsika, izay mitarika ho amin'ny fankatoavana.

Saintsaino ny sasany amin'ireo teny fikasana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izay sarobidy indrindra aminao. Inona ny valiny takin'ireny aminao mba hahatonga azy ho tantera ka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal