Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Marobe no antsoina fa vitsy no fidiana

Daty
Alarobia 01 January 2025

Tsy hoe tia ny olona fotsiny amin’ny sitrapony tanteraka Andriamanitra, fa manasa azy ireo koa mba hifankatia Aminy. Hita mazava izany amin’ny fanoharana momba ny fanasana fampakaram-bady ataon’i Kristy.

Vakio ny Matio 22:1–14. Inona no dikan’ity fanoharana ity?

Ao amin’ny fanoharan’i Kristy momba ny fanasana fampakaram-bady, dia nanomana mariazy ho an’ny zanany lahy ny mpanjaka ary nandefa ny mpanompony hitady ireo “nasaina ho any amin’ny fampakaram-bady,” saingy “tsy nety ho avy” izy ireo (Mat. 22:2, 3, NKJV). Indroa na in-telo no nandefasan’ilay mpanjaka ny mpanompony, saingy nanda ilay antso ny olona, ary maro aza no nanisy ratsy sy namono ireo mpanompo (Mat. 22:4–6).

Taorian’izany, dia nilaza ilay mpanjaka hoe: “Efa vonona ny fampakaram-bady, fa ireo nasaina dia tsy mendrika. Koa mandehana any amin’ny lalambe, ary na iza na iza hitanareo dia asao ho any amin’ny fampakaram-bady” (Mat. 22:8, 9, NKJV). Avy eo, nisy lehilahy iray tsy nanana akanjo fampakaram-bady noroahina, izay midika fa tsy maintsy mandray akanjo avy amin’ny mpanjaka ny olona iray mba ho mendrika ho any amin’ny fampakaram-bady. Ary nofaranan’i Jesosy ny fanoharana tamin’ny fehezanteny tsy mazava nefa tena misy dikany hoe: “Marobe no antsoina, fa vitsy no fidiana” (Mat. 22:14, NKJV).

Inona no Dikan’izany? Ireo “voafidy” farany dia ireo izay nanaiky ny antson’ny Tompo ho any amin’ny fampakaram-bady. Ny teny nadika hoe “antsoina” sy “asaina” manerana ny fanoharana dia avy amin’ny teny grika kaleo (antsoina, asaina), ary ny zavatra mamaritra izay ho “voafidy” (eklektos) farany dia ny na nanaiky ny fanasana maimaim-poana ilay olona na tsia.

Raha ny marina, Andriamanitra dia miantso (izany hoe, manasa) ny olona rehetra ho any amin’ny fanasana fampakaram-bady. Na izany aza, mety handà ny fitiavan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Zava-dehibe ho an’ny fitiavana ny fahafahana misafidy. Tsy hanery na oviana na oviana ny fitiavany amin’iza na iza Andriamanitra. Indrisy anefa, mety holavintsika ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Ny “voafidy” dia ireo izay manaiky ny fanasana. Ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra, dia efa nanomana zavatra mahafinaritra kokoa noho izay azontsika eritreretina Andriamanitra. Ary indray, dia tonga amin’ny fanontaniana momba ny fitiavana sy ny fahafahana misafidy amin’ny fitiavana izany rehetra izany.


Inona no mampiseho amin’ny fiainanao fa efa nanaiky ny fanasana fampakaram-bady ianao ary efa tafiditra ao anaty akanjo mendrika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal