Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 05 December 2025

Fianarana fanampiny

"Tsy azon'ny vahoaka tamin'ny andron'i Kristy ny asa nanirahana Azy. (...) Ny fampianarana voatolotry ny razana, ny tepy zary ohabolana sy ireo didy nataon'olombelona dia nanakona teo anatrehany ny lesona nokasain Andriamanitra hatolotra azy. Nanjary zavatra nanakana azy tsy hahazo sy tsy hahatanteraka ny fivavahana marina ireo teny izay zary ohabolana sy ireo lovan-tsofina. Ary rehefa tonga tokoa ny Tena Izy, teo amin'ny tenan'i Kristy, dia tsy hitany teo aminy ny fahatanterahan'ireo tandindona rehetra fahitany, ny fototr'ireo aloka rehetra nipetrahany. Notsipahiny ny tena izy fa nifikitra tamin'ny tandindona sy ny fanompoam-pivavahana tsy misy antony intsony izy ireo. Efa tonga ny zanak Andriamanitra nefa mbola nangataka famantarana ihany izy. Ny hafatra manao hoe: 'Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra' dia novaliany tamin'ny fangatahana fahagagana. Vato nanafintohina azy ny Filazantsaran'i Kristy satria famantarana no nangatahiny fa tsy ny Mpamonjy. Nanantena izy fa ny Mesia dia hanamarina ny tena maha-Mesía azy tokoa tamin'ny alalan'ny asa mahery vaika hanorenana ny fanjakany eo ambonin'ny faharavan'ny fanjakana eto an-tany. lo fanantenana io no novalian'i Kristy tamin'ny alalan'ny fanoharana momba ny mpamafy. Tsy amin'ny herin'ny fiadiana na amin'ny fanelanelanana feno hery no handresen'ny fanjakan Andriamanitra, fa amin'ny fampaniriana foto-kevitra vaovao ao am-pon'ny olona." - HF, tt. 20,21.

"Mila Kaleba sy Josoa mahatoky ny fiangonana, izay vonona handray ny fiainana mandrakizay amin'ny fepetra tsotra avy amin'Andriamanitra, dia ny fankatoavana. Ory mpiasa ny fiangonantsika. Izao tontolo izao no saha iasantsika. Mila misionera any amin'ireo tanána sy vohitra izay voagejan'ny fanompoan-tsampy mihoatra lavitra noho ireo jentilisa any Atsinanana, izay tsy mbola nahita mihitsy ny fahazavan'ny fahamarinana. Niala tamin'ireo fiangonana izay mitonona ho mahatoky indrindra ny toe-tsaina misionera marina; tsy mirehitra ao am-pony intsony ny fitiavana hamonjy fanahy sy ny faniriana hitondra azy ireo ho ao am-balan'i Kristy. Mila mpiasa mazoto isika. Tsy misy afaka hamaly ka vonjeo izahay!"?" ve ilay antso re hatraiza hatraiza manao hoe: 'Mità mankatý TFC, b. 4, 1. 156.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ahoana no anampian'ireo tandindona ao amin'ny Baiboly anao hahatakatra tsara kokoa ny asa ataon'i Jesosy Kristy ho anao?

2. Amin'ny lafiny inona no itovian'ny adintsika ara-panahy amin'ny fakana ny tany Kanana, ary inona no maha-samy hafa azy?

3. Saintsaino ny fahatanterahana faratampon'ilay tandindon'i Josoa. Ahoana no mahatonga ny fieritreretana ny amin'ilay tontolo tsy misy fanaintainana, fijaliana, ary fahafatesana hitondra fanantenana marina ho antsika ao anatin'ny tolona isan'andro ataontsika eo amin'ny fiainana?

4. Naneho ny toetran'Andriamanitra i Josoa; naneho mialoha ny asa fanompoan'i Kristy ny fiainany. Amin'ny fomba ahoana no ahafahanao mamela an'i Jesosy hametraka ny toetrany ao anatinao sy eo amin'ny fiainanao amin'ny fahafenoany kokoa?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal