Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona

Daty
Talata 02 December 2025

JOSOA, ILAY TANDINDONA

Araka ny hitantsika momba ny tandindona ao amin'ny Baiboly, midika inona ny fitoviana maro hita eo amin'ny fiainan'i Mosesy sy ny fiainan'i Josoa? Jereo ny Eks. 3:1,2; Jos. 1:1-3; Nom. 13:1,2; Jos. 2:1: Eks. 3:5; Jos. 5:15.

Araka ny efa hitantsika tamin'ny herinandro voalohany, dia aseho ho Mosesy vaovao i Josoa teo amin'ny fiainan'ilay taranaka faharoa, ary naveriny ireo dingana manan-danja indrindra nandritra ny nialan'ny vahoaka Isiraely avy tany Egypta. Toa an'i Mosesy dia nihaona manokana tamin'ny Tompo izy, ary nomeny iraka hotanterahina. Nanetsika tahotra sy fanajana tao amin'ireo firenena manodidina ny lazan'ny Isiraely na teo ambany fitarihan'i Mosesy na teo ambany fitarihan'i Josoa. I Mosesy no nitarika ny Isiraely tamin'ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ary i Josoa kosa no nitarika ny Isiraely tamin'ny fiampitana ny Ony Jordana tamin'ny fomba mahagaga. Samy nampahatsiahy ny ilana ny famorana sy ny maha zava-dehibe ny Paska ireo mpitarika roa ireo. Tamin'ny andron'i Mosesy no nanomboka nilatsaka ny mana, ary tamin'ny andron'i Josoa no nifarana izany. Samy nodidiana hanala ny kapany izy roalahy. Nidika fandresena ho an'ny Isiraely ny fanandratan'izy ireo ny tanany. I Mosesy no nanome toromarika momba ny fizarana ny tany sy ny fanorenana ireo tanana fandosirana. I Josoa kosa no nanatanteraka ireo toromarika ireo. Samy nanao anatra farany ho an'ny Isiraely izy roa lahy tamin'ny fiafaran'ny asa fanompoany, sy nanao antso hanavaozana sy hanamafisan'izy ireo ny fanekeny tamin'Andriamanitra.

Diniho ny Deo. 18:15-19, Deo. 34:10-12, Jao. 1:21, Asa. 3:22-26, ary ny Asa. 7:37. Iza no nahatanteraka ny faminanian'i Mosesy momba ilay mpaminany tahaka azy? Hatraiza no ifanarahan'izany amin'l Josoa?

Ny fiainan'i Josoa dia fahatanterahan'ny ampahany tamin'ny faminaniana nataon'i Mosesy (Deo. 18:15,18). Tsy tanteraka tamin'ny fahafenoany anefa ny hevitry ny faminaniana nataon'i Mosesy. Tsy tanteraka tanteraka amin'ny heviny feno io faminaniana io raha tsy tamin'ny alalan'ny Mesia. Izy no mahalala tsara ny Ray (Jao. 1:14,18); Izy no marina ary nanambara an'Andriamanitra tamim-pahamarinana (Lio. 10:22; Jao. 14:6; Mat. 22:16). Andriamanitra tokoa no nametraka ny Teniny tao am-bavany (Jao. 14:24). Koa ny fiainan'i Mosesy sy ny an'i Josoa dia samy tonga tandindona maneho an'i Jesôsy , Ilay Mesia ho avy.

Eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra, toerana manao ahoana no tanan'i Jesosy? Nahoana no tsy maintsy atao fototra iorenan'ny fiainanao manontolo amin'ny maha kristianina anao i Jesôsy sy izay nataony ho anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal