Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ilay Mpitsara ny tany rehetra.

Daty
Alarobia 04 June 2025

Nisy tantara mahaliana nitranga teo an-kazo terebintan'i Mamre talohan'ny nandravana an'i Sôdôma. Niseho tamin'i Abrahama Andriamanitra, niaraka tamin'ny anjely roa. Rehefa nahita azy ireo i Abrahama, dia nanasa ireto mpamangy avy any an-danitra mba hisakafo, ary teo no nampanantenan Andriamanitra an'i Abrahama sy i Saraha fa hanan-janaka izy ireo, ka ho tonga hatramin'ny Mesia ny taranany. Taranak'i Abrahama tokoa i Jesôsy (ampitahao amin'ny Gal. 3:16). Avy eo dia nitodika tany amin'ireo tanána ratsy fanahy teny amin'ny tany lemaka ny resaka.

Vakio ny Gen. 18:17-32. Araka ireo andininy ireo, inona no hitantsika momba ny toetran'Andriamanitra sy ny drafiny hamahana ny olan'ny faharatsiana eto amin'ity tany ity amin'ny farany?

Tsy mila manazava na inona na inona amintsika Andriamanitra, kanefa nifidy tsy hanafina ny fikasany sy ny tanjony amin'ny taranak'olombelona Izy. "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehôvah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony." - Amô. 3:7.

Hitan'Andriamanitra fa ny hany mety hatao mialoha ny handravany an'i Sodoma sy Gomora dia ny mampahafantatra an'i Abrahama izay hitranga sy hatrehin'ny masony.

Raha mbola nitaredretra teo anilan'i Abrahama Andriamanitra, dia lasa kosa ireo anjely roa nandroso ho any amin'ilay tanana ratsy fanahy mba hiantso ireo izay hihaino ny fampitandremany. Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny amin'ïreo anjely izay hanatanteraka asa toy izany koa amin'ny andro farany, hiantso ireo olon Andriamanitra tavela ao Babilona mba hiala ao (Apôk. 14:6-12, Apôk. 18:1-4). Rehefa nalefa ilay fampitandremana farany dia mbola nifampidinika tamin'i Abrahama Andriamanitra momba ny toe-javatra efa eo an-dalam-pahatanterahana, ary nohenoiny tsara ny fanontanian'ilay patriarika.

"Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka", hoy i Abrahama, "tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?" -Gen. 18:25. Tsy ny momba an'i Sôdôma ihany no nodinihin'i Abrahama fa ny momba ny toetran'Andriamanitra koa. Toy izany koa no hitranga mialoha ny farany; hosokafan'Andriamanitra ireo boky any an-danitra (Apok. 20:4,11-15) ary avelany hamakafaka ny zava-misy isika mialoha ny handatsahany afo eto an-tany. Izany hoe, manana arivo taona isika hametrahana fanontaniana sy ahafantarana ny valiny, izay tsy mbola fantatsika ankehitriny.

Alohan'ny hampiharan'ny Tompo ny fitsarana farany amin'ireo very dia omeny arivo taona isika hahazoantsika mahatakatra ny hanjo azy ireo sy ny antony. Inona no ambaran'lzany momba ny toetran'Andriamanitra sy ny fetezany hadinin'ny voariny voary izay tsy nisy raha tsy Izy, ary miankina tanteraka Aminy sady tsy manan-jo akory hahafantatra izany zavatra rehetra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal