Mampahatsiahy antsika i Petera fa maro no tsy ho vonona ho amin'ny fiverenan'i Kristy satria "minia jamba" sy manadino izay nitranga tamin'ny Safodrano (2 Pet. 3:5). Ankehitriny, na voatahiry ao an-tsain'izao tontolo izao aza ny amin'ny fisian'ny Safodrano iray lehibe (mahagaga fa tantaraina ao amin'ny kolontsaina maro maneran-tany ny amin'ny Safodrano iray izay nandravarava, manomboka amin'ireo Grika fahiny ka hatramin'ireo Maya), dia anisan'ny esoina indrindra amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly ny tantaran'i Noa. Araka ny efa nambara mialoha dia minia mandă ny tantara izao tontolo izao ka manao izany ho angano, na dia efa voasoritra mazava ao amin'ny TT aza izany, ary resahina ombieny ombieny ao amin'ny TV.
Nilaza i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24:37-39 fa ho tahaka ny tamin'ny "androni Noa" ny toe-javatra hiseho eto amin'izao tontolo izao. Ampitahao amin'izay voalaza ao amin'ny Gen. 6:1-8 Izany. Nanao ahoana ny fitondran-tenan'ny olona, izay nitarika ho amin'ny Safodrano?
Rehefa dinihina tsara dia misy lesona iray hafa manan-danja ho an'ny vahoakan Andriamanitra amin'ny andro farany. Voalaza ao amin'ny Heb. 11:7 fa mba "hamonjena ny ankohonany", "no nanamboaran'i Noa sambo-fiara (...); koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana."
Eritrereto hoe nitory nandritra ny zato taona mahery ianao nefa tsy nisy vokany fa ny ankohonanao ihany no tafiditra tao anaty sambofiara. Raha mpitory ny filazantsara amin'izao vanim-potoanantsika izao i Noa dia mety holazaintsika fa tsy nahomby izy: am-polo taona maro nitoriana teny kanefa toa tsy nisy vokany.
Soa ihany fa ankehitriny, faritra maro eto amin'izao tontolo izao no mandray tsara ireo hafatry ny anjely telo, ary maro no manjary mahafantatra ny Tompo. Mbola misy vokany hatrany aloha ny asantsika hatreto, na dia nambara tamintsika aza fa efa "hifarana ny androm-pahasoavana ka hikatona ny varavaram-pamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe: 'ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana', izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin'ny asa fanompoana farany ataon'ny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin'ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona." - HM, t. 442.
Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia manana asa atao isika amin'ny maha-fiangonana antsika.
Ahoana no ahaizantsika miatrika ny tsy fahombiazantsika, raha toa mitranga izany, mba tsy hahakivy antsika? Nahoana no tsy maintsy manohy miasa hatrany isika? (Jereo ny Jao. 4:37)