Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fahatezeran’i Zanak’ondry.

Daty
Alahady 01 June 2025

Vakio ny Apôk. 6:12-17. Diniho amin'ny tsipiriany ny fihetsik'ireo olona eo am-piatrehana ireo tranga amin'ny andro farany. Inona no voamarikao?

Mahaliana ny mahita eto fa ireo very dia tsy miantsoantso hoe: "Inona izao zava-mitranga izao?" na hoe "Iza no ao ambadik'izao?". Toa takatr'izy ireo tsara ny zava-mitranga. "Zanak'ondry" no iantsoany an'i Jesôsy , koa tsy maintsy mahafanta-javatra momba ny tantaran'i Kristy izy. Toa tsapan'izy ireo koa fa "tonga ny andro lehiben'ny fahatezerany" ka dia tsy misy azo antenaina intsony ny aminy: "ka iza no mahajanona?",

Hotorina amin'ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany ny filazantsara mialoha ny farany (Mat. 24:14), ary ho fantatry ny tany manontolo ny hafatry ny anjely telo. Na izany aza dia mbola hisy olona ihany ho tratra tsy niambina - tsy noho ny tsy nahafantarany, fa noho ny fandavany tsy hino sy tsy hankato. Izany no antony hahavery ny olona toy izany any am-parany.

Vakio ny Mat. 24:36-44. Araka ny ambaran'i Jesôsy eto, inona ireo lesona tokony horaisintsika avy amin'ny tantaran'i Noa?

Nampahatsiahy ny tantaran'ny Safodrano i Jesôsy ho fampitandremana antsika fa hanampoka ny maro ny fiaviany. Tsy noho ny tsy fahafantarana no nahatonga ny Safodrano ho tampoka ho an'izao tontolo izao, tahaka izay hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany koa. Nitory tamin'izao tontolo izao nandritra ny 120 taona i Noa, fa tsy nety nino izy ireo. Nambara tamin'izy ireo izay hitranga, saingy tsy nino izy ireo.

Maro koa no mihevitra fa ny fahelan'ny fotoana dia midika fa tsy marina ny faminaniana. Hoy i Petera ao anatin'ny tontolon-kevitry ny Safodrano: "fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza." Hihamafy orina izany fiheverana izany arakaraka ny androsoan'ny fotoana.

Eo amin'ny fiainan'ny tsirairay, ny fiavian'i Jesôsy fanindroany (na fanintelony ho an'ny sasany) dia tsy lavitra fa aorian'ny fahafatesana, ary fantatsika tsara fa mandalo sy mi serana ihany ny fiainana. Ahoana no anampian'izany fomba fijery izany antsika hahay hiatrika izany "fahelan'ny fotoana" izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal