Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 4:10-16; Lio. 8:22-25; Jao. 3:1-10; Asa. 16:25-34; 1 Kôr. 5:1-5; Lio 7:28.
Tsianjery: "Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo" – Heb. 4:12.
Tamin'ny 9 Nôvambra 1989, ny fanambarana mivantana nataon'i Günter Schabowski tamin'ny fahitalavitra tao Alemaina Atsinanana Komonista dia nitarika ny firodanan'ny Rindrin'i Berlin. Amin'ny maha mpanao gazety mpitondra tenin'i Alemaina Atsinanana azy, dia nanao fahadisoana i Schabowski nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra. Raha tokony ho nanambara izy fa ny mponina tao Alemaina Atsinanana dia mety hahazo lalana hitsidika an'i Eoropa Andrefana aorian'ny dingana maro sy sarotra hahazoana "visa" ara-dalàna, dia nilaza tsotra izy fa avela hitsidika an'i Eoropa Andrefana ny mponina ao Alemaina Atsinanana. Rehefa nanontany azy ny mpanao gazety iray hoe rahoviana no hanan-kery io fanovana politika io, dia namaly i Schabowski hoe: "Araka ny fahalalako azy, (...) manan-kery avy hatrany izany, tsy misy hataka andro izany." Tao anatin'ny minitra vitsy monja dia nirohotra nankany amin'ny toeram-piampitana ny sisintany ny vahoaka, nitaky ny hamelana azy ireo hiampita, araka ny efa nambaran'ny governemanta.
Matetika no omena fahefana hiteny amin'ny anaran'ny orinasa iray, na firenena iray, ny olona sasany. Fa ahoana kosa ireo olona miteny amin'ny anaran'Andriamanitra? Hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny fahefana ananan'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly, ary koa ny fahefana ananan'ireo mpaminany izay tsy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly, toy ny mpaminany Natana, i Jaona Mpanao Batisa, ary i Ellen G. White koa aza.