Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.

Daty
Alatsinainy 02 March 2026

Anankiray amin'ireo foto-kevitra mazava indrindra momba izay tokony ho fomba fiaina ristianina ny lohahevitra resahin'ny epistily ho an'ny Kolosianina: "Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesôsy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa." - Kôl. 2:6. Mandray famonjena isika rehefa mandray Olona iray, fa tsy ny fitambarana fampianarana fotsiny. Ny fandrajsana an'i Jesôsy dia midika ho fanekena ny fampianarany rehetra koa, izay nomena tamin'ny alalan'ireo apostoly sy ny mpaminanin'ny Baiboly (jereo ny Efes. 2:20).

Mihoatra noho ny zavatra rehetra, ny fandraisana an'i Kristy dia midika ho fahafatesana ny amin'ny tena, fampileferana tanteraka ny "izaho" eo an-tongotr'ilay Kristy velona.

Tsy afa-misaraka amin'ny Teny voasoratra (Baiboly) ilay Teny Velona (Jesôsy ). Lafiny roa amin'ny vola madinika iray ihany ireo. Raha ny marina, dia amin'ny alalan'ny Soratra Masina ihany no ahafantarantsika an'i Jesôsy. "Mandeha" na velona "ao Aminy" isika; midika izany fa avelantsika hitarika antsika eo amin'ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika sy izay ataontsika ny Teniny sy ny Fanahiny.

Mampiasa sary an'ohatra fahita ao amin'ny Baiboly i Paoly ao amin'ny Köl. 2:7; fanoharana izay mampitovy ny Kristianina amin'ny zava-maniry izany. Manjary mamaka ao amin'i Kristy isika rehefa mandray Azy ho Mpamonjy antsika ary mampifanaraka ny fiainantsika amin'ny Teniny. Amin'izany no hahatonga ny finoantsika "tsy hiovaova".

Ahoana no anazavan'ireto toko sy andininy ireto ny sary an'ohatra momba ny zava-maniry amin'ny maha tandindona maneho ny mpino azy? (Jereo ny Isa. 61:3; Mat. 3:10; Lio. 8:11-15; 1 Kor. 3:6).

Mampiseho safidy roa mivelatra manoloana ny mpino i Paoly. Ny iray dia ny hitoetra ho "Hazo (...) nambolen'i Jehôvah " (Isa. 61:3) ka velona ao amin'i Kristy hatrany satria mifikitra Aminy sy amin'ny fampianarany. Ny safidy ankilany kosa dia ny ho tahaka ny zava-maniry voatr'olombelona, izay toa velona raha jerena saingy tsy misy aina akory. Rehefa mandray sy manaraka ny filozofian'olombelona sy ny fombafombany isika, dia manjary "babo" (Kôl. 2:8). Na dia nanafaka antsika aza i Kristy, dia mety mbola hohazonin'ny zioga fanandevozana ihany isika (Gal. 5:1; ampitahao amin'ny Asa 15:10).

Raha fintinina, ny fanekena ny fampianarana tsy araka ny Baiboly dia midika ho fandavana an'i Kristy, satria ireo izay mandray fampianaran-diso dia efa nandray filazantsara hafa ary nanaiky ny fahefan'olombelona mihoatra noho ny fahefan'ny Soratra Masina (jereo ny Gal. 1:6-9). Loza nananontanona ny fiangonana voalohany izany ary mbola mitoetra mandraka ankehitriny.

Inona no fanandramana manokana niainanao mikasika ny fahafatesana ny amin'ny tena mba handraisana an'i Kristy? Nahoana izany no tokony ho asa mitohy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal