Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’

Daty
Zoma 12 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay", PM, tt. 302-314.

Manasongadina ny asan'Andriamanitra ao amin'ny mpino ny lesontsika tamin'ity herinandro ity. "Mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza Andriamanitra, ao amintsika "- Efes. 3:20. Aoka tsy hifantoka amin'ny tenantsika isika ka hanome fahafaham-po ny fanirian'ny tenantsika; mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy mantsy izany. Aoka hifantoka amin'Andriamanitra sy ny heriny kosa ny saintsika. Izy no manome ny hery izay mitondra ho amin'ny fiainana vaovao sy feno fandresena (Fil. 4:13; Joda 1:24,25).

"Mifandanja tsara anefa na ny fitiavana na ny fahamarinana nenti-nanao ny famaizana tao Hôreba. Sady Mpiambina ny olony no Mpanjakany Andriamanitra. Raha nandringana ireo maditra mafy fo Izy, dia nanahy fandrao izy ireny hitarika ny hafa ho any amin'ny fahalevonana. Raha niaro ny ain'i Kaina Andriamanitra, dia ny mba hanehoana ny mety ho vokatry ny heloka votsorana maina, amin izad rehetra ary izao. Avy amin'ny herin'ny fomba fiainany sy ny fampianarana nataony tamin'ny taranany no nipoiran'ny faharatsiam-pitondrantena nahatonga ny fandringanana izao tontolo izao tamin'ny Safodrano. (...) Tsy nampitsahatra ny faharatsiany ny fahari-pon’Andriamanitra; arakaraka ny fahelan'ny andro niainany no nitomboan'ny toetra ratsiny." - PM, tt. 311,312 (пр).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino ny amin'ilay fanontaniana any amin'ny faran'ny lesona Alatsinainy. Amin'ny fomba ahoana no mety hiankohofantsika amin'ny voary noforonina, fa tsy amin'ny Mpamorona? Ohatra, ahoana no hahaizantsika mitandrina tsara ny tany sy miaro ny tontolo iainana kanefa tsy mivavaka aminy na manao azy ho sampy?

2. Azo fantarina ny haratsin'ny toe-javatra amin'ny alalan'ny voka-dratsy ateraky ny asa iray na amin'ny alalan'ny fihetsika asetrin'ny olona ilay zava-mitranga. Nahoana i Mosesy no nibaiko ny olona mba hamono ireo izay niziriziry nandà tsy hibebaka ka nanohy ny fikomiany tamin’Andriamanitra sy ny fampianarany?

3. Nahoana no tsy misy endrika fanavotana hafa mety hahazoan'ny mpanota famonjena afa-tsy ny fanavotana amin'ny alalan'ny fisoloana? Nahoana ny tsangan-kevitra rehetra momba ny fanavotana, izay mandà na manamaivana ny fanavotana nisoloan'i Jesôsy antsika teo amin'ny hazo fijaliana, izay fototra lorenan'ny filazantsara, no fahadisoana lehibe ara-teolojia? Vakio ny 1 Pet 2:24. Ahoana no anehoan'io andininy io mazava tsara fa nisolo antsika i Jesôsy ?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal