Vakio ny 2 Kor. 8:1-5. Inona no mety ho antony nahatonga ny Makedonianina ho feno fahazotoana hanolotra ny fanatiny tamim-pahalalahan-tanana toy Izany?
Azo hazavaina amin'ny fomba maro ny toe-panahy tsara nananan'ny Makedoniana:
- Voalohany, nanome tamim-pifaliana izy ireo (2 Kor. 8:2). Hoy i Paoly: «fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny haren'ny hitsim-pony [na fahafoizany).» - 2 Kor. 8:2 (jereo ny naoty eny ambany). Ary nolazainy taty aoriana fa: «ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra» - 2 Kor. 9:7. Ny teny grika nadika hoe «amin'ny fifaliana» dia eto ihany no ahitana azy ao amin'ny TV. Misy teny iray fototra amin'io teny io koa hita any an-kafa: «izay mamindra fo dia aoka ho amin'ny fifaliana» - Rôm. 12:8. Hita any amin'ny lahatsoratra hafa ivelan'ny Baiboly koa ireo teny ireo, ka fifaliana sy fahasambarana no heviny. Ao amin'ny 2 Kor. 9:7, ny hoe mpanome amin'ny fifaliana dia midika hoe manome tsy amim-pisalasalana.
- Faharoa, nanome tamim-pahalalahan-tanana izy ireo (2 Kor. 8:2). Talohan'ny nilazan'i Paoly momba ny fahalalahan-tanan'ny Makedonianina, dia niresaka momba ny «hamafin'ny fahantrany» izy. Ny teny hoe «fahafoizana» (amin'ny teny grika, haplotētos) dia voalaza indroa koa ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9. Hoy i Paoly: «hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po [na fahafoizana]» - 2 Kor. 9:11; izany hoe omena isika mba hahafahantsika manome avy eo. Hoy izy ao amin'ny and. 13: «fahazotoanareo amin'ny fiantrana» - 2 Kor. 9:13. Ato amin'io andalan-teny io, ny fahalalahan-tanana dia fomba iray anambarana ny filazantsaran'i Kristy.
- Fahatelo, nanome «araka ny zakany» Izy ireo (2 Kor. 8:3). Midika izany fa nanome an-tsitrapo izy ireo. Vao mainka mendri-piderana izany rehefa hita fa tsy avy amin'ny ambim-bavany no nanomezan'izy ireo, fa voafetra dia voafetra mantsy ny fananany. Nampiasain'i Paoly koa io hevitra io hanehoana ny fahavononan'i Titosy hamangy ny Korintianina. Nankany Korinto an-tsitrapo izy (2 Kor. 8:17).
- Fahefatra, nanome Izy ireo tamin'ny fahatsapana fa tombontsoa manokana ny manome (2 Kor. 8:4). Hita taratra io toe-panahy io amin'ny fangatahan'ny Makedonianina handray anjara amin'ny famoriam-bola. «Sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany» - 2 Kor. 8:4.
- Farany, nandray anjara tamin'ny famoriam-bola izy ireo ho toy ny fanehoana fanoloran-tena tanteraka (2 Kor. 8:5). Hoy i Paoly: «Ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra» - 2 Kor. 8:5. Ny fanoloran-tena ho an'ny Tompo dia miteraka fanoloran-tena ho an'ny hafa. Mihoatra noho ny fanampiana ara-bola fotsiny no nataon'ny Makedonianina ho fampandrosoana ny iraka. Izany hoe, ny fanomezana sy ny fahalalahan-tanana dia tsy voafetra amin'ny resa-bola irery ihany.