Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.

Daty
Alarobia 11 June 2025

I HAMANA SY I SATANA

Mahita an'i Hamana, lehilahy mangetaheta toeram-boninahitra sy fahefana isika, ao amin'ny tantaran'i Estera. Nomen-kaja lehibe ambonin'ireo andriana rehetra izy tao amin'ny fanjakana (Est. 3:1).

Raha mamaky ny momba an'i Losifera ao amin'ny Ezek. 28:11-15 sy ny Isa. 14:12-15 isika, dia mahita ny fitoviany amin'i Hamana, lehilahy ratsy fanahy fahavalon'ny vahoaka nofidin'Andriamanitra, izay tsy nety niankohoka teo anatrehan'ny fahalehibeazan'Andriamanitra. Ao amin'ny tantaran'ny nakana fanahy an'i Kristy no isehoan'ny fikasana lalina indrindra tao anatin'i Satana, raha nitondra an'i Jesôsy tany an-tendrombohitra avo dia avo izy mba haneho Aminy ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao (Mat. 4:8-11). Araka izay efa hitantsika, dia tonga mba hanavotra an'izao tontolo izao i Kristy ary hitaky izany ho fananany. Tamin'ny maha-Olombelona iray amintsika Azy no nanaovany izany. I Jesôsy no ilay havana mahavotra, ary mazava loatra fa ambony dia ambony tokoa ny sanda naloany mba hanavotana an'izao tontolo izao.

Hitantsika ao amin'ny Apôkalipsy ny fitiavan'i Satana fatratra ny fahefana sy ny fiankohofana izay mitarika ho amin'ireo toe-java-tsarotra farany eto amin'ity tontolo ity. Izao tontolo izao no reseny lahatra ho "gaga" sy hanaraka an'ilay bibidia amin'ny alalan'ireo famitahana ataony (Apôk. 13:3,4), afa-tsy ireo olom-bitsy izay mandà tsy hiankohoka aminy. Ampiasany hery ireo olona ireo.

Tsikaritr'i Hamana fa tsy nety nandohalika teo anatrehany sy nanaiky azy ho manan-jo "hiankohofana" i Môrdekay, anankiray tamin'ireo vahoaka nofidin' Andriamanitra. "Tezitra loatra izy" ka tapa-kevitra ny handringana ireo mpiray firenena rehetra amin'i Môrdekay.

Vakio ny Est. 3:1-14 sy ny Apôk. 12:14-17 ary ny Apôk. 13:15. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo? Ahoana no itovian'ny fanoritsoritan'i Jaona ny fiangonana sisa izay an'Andriamanitra sy ny fanoritsoritan'i Hamana ny vahoakan'Andriamanitra tamin'izany?

Nanambara ny fananany zo amin'ity tontolo ity ny devoly, saingy manohitra ny fihamboany ho manana fahalehibeazana faratampony ny fisian'ireo vahoakan'Andriamanitra mijoro ho mahatoky izay mitandrina ny Didiny. "Rehefa hanjary antony manokana ifanolanana eo amin'ny vahoaka kristianina ny Sabata, dia hahatonga ireo vitsy an'isa ho fankahala eran'izao tontolo izao ny fikirizany handà tsy hilefitra amin'izay takin'ny besinimaro." - Signs of the Times, 22 Febroary 1910.

Eritrereto ireo zavatra "madinika" izay mizaha toetra ny finoanao amin'izao fotoana izao. Raha toa ianao manao marimaritra iraisana momba ireny "zava-madinika" ireny, ahoana no hataonao rehefa ho avy ny fizahan-toetra lehibe?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal